Asabotsy 6 Jona 2026

Ekeo amin’ny fahalemem-panahy ny teny nambolena, izay mahavonjy ny fanahinareo. Jakoba 1:21

Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana. 2 Timoty 3:16

 

Manovo hery vaovao

Iray amin’ireo fahatsiarovana tranainy indrindra nananako ny fahatsiarovana ny reniko mivavaka sy mamaky ny Baiboliny isamaraina. Feno tsara ny tontolo androny, efa nomaniny tamina fotoam-piombonana amin’ny Tompony.

Ry kristiana, isika ve mba manokana fotoana hiarahana amin’ny Tompo Jesosy ? fotoana iray ao amin’ny tontolo andro, mba hiresahana aminy amin’ny vavaka, sy hihainoana Azy miteny amintsika amin’ny alalan’ny Fanahiny sy ny Teniny. Amin’izay dia hohavaozina ireo fihevitsika sy ny fitiavantsika ny Tompo, ary hampaherezina ny finoantsika.

Ny Baiboly tsy akory tsy fitambarana fahamarinana saro-takarina, tsy azo tsapain-tanana. Andriamanitra dia te hampita amintsika fampianarana velona, mivaingana, amina endrika isan-karazany. Indraindray Izy dia miresaka mivantana. Indraindray Izy mampianatra antsika amin’ny alalan’ny fiainana lehilahy sy vehivavin’ny finoana. Hitantsika ny fifalian’izy ireo sy ny fahoriany, ny fandreseny sy ny tsy fahombiazany. Henontsika ny teniny mirakitra fatokiana sy fiderana, ireo fitarainany mbamin’ireo antsony manantena an’Andriamanitra. Ireny ohatra ireny dia mampahery antsika, manolo-kevitra sy mitari-dalana antsika, rehefa miatrika fitsapana eo amin’ny fiainana isika.

Misy andinin-tSoratra masina maro mitatitra resaka nifanaovan’ny mpino iray amin’Andriamaniny. Ny tena tanjon’ny Baiboly dia ny hametraka fifandraisana eo amin’Andriamanitra sy ny olona, ary eo amin’ny samy mpino. Taomin’ny Baiboly koa isika hivory manodidina an’i Jesosy, araka ny maha rahalahy sy anabavy kristiana antsika, mba hampianarin’ny Teniny, eo ambany fitarihan’ny Fanahiny. „Aoka ny tenin’i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin’ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin’ny salamo sy ny fihirana ary ny tononkiram-panahy, mihira amin’ny fahasoavana ao am-ponareo ho an’Andriamanitra” (Kolosiana 3:16).