Zoma 5 Jona 2026
Natao tsinontsinona sy nolavin’ny olona Izy ; Lehilahy ory sady zatra ny fahoriana, ary tahaka izay tsy tian’ny olon-kojerena akory Izy ; natao tsinontsinona Izy ka tsy mba nahoantsika. Isaia 53:3
Hoy ny Soratra Masina : „Tsy ho menatra izay rehetra mino Azy (Jesosy)”. Romana 10:11
Ny 7 jona 1903 dia nandao ny seranantsambon’i Marseille ho any Corse ilay sambo lehibe „Le Liban”. Nisy mpandeha vehivavy iray, Ramatoa S., nitebiteby ary nitady olona hiara-dia aminy mba hamonjy azy raha sendra misy loza. Nanolo-tena hanao izany ny mpandeha iray antsoina hoe René. Notombanan-dRamatoa S. ho kely aina sy tsy ho afaka hamonjy azy io olona io, ka nolaviny ny tolotra tsy nitady tamby nataony. Nahafinaritra ny ranomasina, tsara be ny andro : tanteraka ny fepetra rehetra ahafahana misosa tsara teny ambony rano. Kanjo teo amin’ny fivoahana ny helodranomasin’i Marseille dia nisy sambo iray hafa, „L’Insulaire”, nipoitra tampoka avy tao ambadiky ny nosy Maïre ary nanatrika ny „Le Liban”. Tsy hay nialàna ny fifandonana, ary tao anatin’ny minitra vitsy dia rendrika ny „Le Liban”, nitondra ny mpandehany tany anaty onja. Tsy nahatsiaro tena Ramatoa S., nobataina nankao anaty lakana tonga hamonjy ireo tra-boina ; rehefa nahatsiaro tena izy dia nahafantatra fa i René no nahavonjy azy ! Tamim-pomba mahagaga no nahafahany nihazona azy tsy hilentika, mandra-pahatonga ny vonjy voina.
Tsy nampoizina ny niafaran’ilay sambo lehibe teo ambany lanitra mazava sy ranomasina tony. Ny fiainantsika ihany koa dia mety hifarana amin’ny fomba tsy ampoizina. Iray ihany no afaka mamonjy antsika sy manome antsika ny fiainana mandrakizay, dia Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra tonga olona, ary maty ho antsika teo amin’ny hazofijaliana.
Nandritra ny fiainany tetỳ an-tany Jesosy dia tsy nilain’ny olona : natao tsinontsinona Izy, nolavina, nenjehina ary nohomboana teo amin’ny hazofijaliana. Nefa nitsangana velona indray Izy, ary ankehitriny dia manolotra ny fahasoavany sy ny fitiavany. Ambaran’Andriamanitra fa „tsy misy famonjena amin’ny hafa” (Asan’ny Apostoly 4:12). Raiso izao ny tanany mitsotra !