Alakamisy 4 Jona 2026
(Hoy Jesosy :) Tsy nanan-kitafy Aho, dia notafianareo ; narary Aho, dia notsaboinareo ; tao an-tranomaizina Aho, dia novangianareo. Matio 25:36
Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko. Matio 25:40
Fiodor Dostoïevski (1821-1881) dia iray amin’ireo Rosiana malaza indrindra mpanoratra tantara foronina. Nifandray tamina antoko tia fahalalahana izy, ka nosamborina tamin’ny taona 1849 ary nomelohina ho faty. Tamin’ny minitra farany, rehefa hotifirina izy, dia tonga ny famotsoran-keloka avy tamin’ny mpanjaka (sarisary-na famonoana ho faty fotsiny io). Nefa i Dostoïevski dia nalefa sesitany nandritra ny efa-taona tany amina tobim-piasana an-terivozona iray tany Siberia. Tao ny vadina gadra iray tonga namangy dia nanome azy Baiboly iray. Tsy hisaraka aminy mihitsy io Baiboly io.
Tany an-tranomaizina izy no nifanena tamin’ny Kristy, ary nanomboka hatreo dia ny finoany no hitarika azy eo amin’ny fiainany manokana, ny fiainana maha mpanoratra azy ary ny fiainany ara-pôlitika : „Tsy misy na inona na inona mahafinaritra kokoa, na lalina kokoa, na mahatehotia kokoa, na mitombina kokoa, na mahery kokoa sy lavorary kokoa noho ny Kristy”, hoy ny nosoratany. Teo amin’ny fiafaran’ny fiainany dia nanjary mpino nafana fo izy.
100 taona mahery tatỳ aoriana, ilay mpanao gazety J.-P. Kaufmann, izay nalaina an-keriny tany Liban, dia niaritra fanagadrana mandona saina efa ho telo taona. Soa ihany fa nanana Baiboly koa izy, niaraka taminy. Hiresaka momba izany izy rehefa novotsorana : „Ny Baiboly no nanohana sy namelona ny finoako, ary nanatanjaka azy. Zavatra tena lehibe izany… Rehefa nahatsapa ny tenako ho kivy aho dia nivavaka, ary ny ampitso dia nisy famantarana madinidinika nahafahako nitraka indray… Tsy mpivavaka aho nandritra ny fotoana ela, fa ankehitriny kosa tsy resin’iza na iza raha momba ny Baiboly. Namerina mamaky azy tamina fijery vaovao aho, ka afaka nahita fa sanganasa tena revolisionera izy. Nanjary fampaherezana tsy tapaka ho ahy ny Baiboly… Tsy tena nisaraka na oviana na oviana tamin’Andriamanitra aho, fa teo kosa dia nifankahita indray izahay.”