Alarobia 3 Jona 2026

Fa eo aminao no misy ny famelan-keloka, mba hatahorana Anao. Salamo 130:4

Ry rahalahy, raha misy olona azon’ny ota tsy nahy aza, dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy amin’ny fahamorana izy, ka mihevera ny tenanao, fandrao ianao koa mba halaim-panahy ihany. Galatiana 6:1

 

Fasika mandrevo

Fantatrao ve ireo fasika mandrevo any amin’ny Mont-Saint-Michel (any Frantsa) ? Raha jerena amin’ny voalohany, dia toa azo diavina tsy misy atahorana ilay torapasika, nefa raha ny marina dia miletsy haingana be, noho ny havesatry ny mpitsangantsangana mandeha eo amboniny, izay atahorana hilentika ao anatina fangaro-na rano sy fasika ary tanimanga. Misy any amin’ny toeran-kafa maneran-tany koa ny fasika mampidi-doza toy io, ary ny Romana aza dia nieritreritra mihitsy fa misy biby mampatahotra monina ao anatiny, ka mitroka hankany amin’ny Helo ireo izay tsy malina.

Ny siansa dia nanome fanazavana mitombina momba io sehon-javatra io, ary fantatsika ny fomba hialana amin’ilay fandrika : tsy mihetsika, ary indrindra tsy mikofokofoka fa miandry vonjy.

Eo amin’ny fiainan’ny kristiana dia misy toerana sasantsasany mety hitarika azy, an-tsarinteny, hankany amin’ny „vavahadin’ny Helo”, izany hoe hanalavitra an’Andriamanitra sy hanao ratsy. Mihevitra isika fa afaka mandroso tsy misy atahorana, manaraka ireo zavatra tsiriritintsika, nefa tampoka eo dia tojo toejavatra sarotra, toy ny „tafahitsoka” ao anatina fahotana. Marina fa ny mpino dia tsy hahavery ny famonjena mandrakizay azony tamin’ny alalan’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana, nefa kosa tsy misitraka intsony ny fiombonana amin’Ilay Mpamonjiny. Manjary matroka ny fifaliany sy ny fijoroany ho vavolombelona araka ny maha kristiana azy.

Ny fihetsika voalohany dia ny faniriana te hanavo-tena samirery, saingy, toy ny ao anatin’ireny fasika manjary mitsiranoka ireny, dia mainka koa mihamilentika isika. Tokana ny vahaolana : mijanona, ary mandray ny vonjy ao amin’i Jesosy Kristy. Miaiky ny fahadisoantsika amin’Andriamanitra isika, dia mandray ny famelan-keloka avy aminy. Noho ny fahasoavany dia mamoaka antsika avy ao amin’io fandrika io Izy, ary manarina antsika sy manome antsika aingam-po vaovao hanarahana Azy.