Talata 2 Jona 2026

Mifalia mandrakariva amin’ny Tompo. Filipiana 4:4

Mijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy, Izay naharitra ny hazofijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany. Hebreo 12:2

 

Sambatra ary mampiseho izany

Ry kristiana, ndao hampiseho fa sambatra isika ! Ao anatin’ireo olana sy zava-tsarotra mianjady amintsika, dia taomina isika tsy hitebiteby, fa hitondra eo amin’Andriamanitra ny vavaka ataontsika. Ary ho setrin’izany, ny fiadanany dia hiaro ny fontsika sy ny hevitsika ao amin’ny Kristy Jesosy (Filipiana 4:6-7). Ny fifaliantsika dia tsy azo sarahina amin’ny fanahy mankasitraka sy midera, tokony hanentana antsika. Raha ao anatintsika izany toe-po izany, dia tsy maintsy hahagaga na hampanontany tena ny olona mahita antsika miaina ny fijoroantsika ho vavolombelona.

Aoka isika tsy haneho sary-na fivavahana kristiana maloka endrika, toy ny hoe fivavahana feno fanenenana sy fangidiana ! Mazava ho azy fa tsy hoe hampiseho fifaliana amina kotaba tsy akory isika, fifaliana matetika amboamboarina sy avy amina fientanana mihelina. Mifanohitra amin’izany aza, fa raha lalina ny loharanon’ny hafaliantsika, raha avy amin’ny aina nomen’Andriamanitra, dia tsy ahina ho ritra. Tsy haharesy ny finoantsika ny trangan-javatra miseho, na toy inona na toy inona havesany.

Ny tsy fahampiana na tsy fisiana fiombonana amin’ny Tompo no afaka manaisotra amintsika ny fifaliantsika, mihoatra lavitra noho ireo ady sy fitsapana lalovantsika. Avy amintsika ihany, fa tsy avy amin’ny toejavatra etỳ ivelany tsy akory, no iavian’ny hakiviana. Fony nanoratra ny apostoly Paoly hoe : „Mifalia mandrakariva amin’ny Tompo”, dia tany an-tranomaizina tany Roma.

Farany, aza hadinointsika ilay loharanom-pifaliana hafa nanentana an’i Jesosy, dia ny fanantenana. Niaretany ny fangirifiriana teo amin’ny hazofijaliana, noho ny hafaliana teo anoloany, dia ny hafaliany hanangona antsika ho mandrakizay eo anilany.