Alatsinainy 1 Jona 2026
Tahaka ny fiantran’ny ray ny zanany no fiantran’i Jehovah izay matahotra Azy ; fa Izy mahalala ny toetrantsika, ka mahatsiaro fa vovoka isika. Salamo 103:13-14
Tamin’ny andro nitarainako dia namaly ahy Ianao ; nomenao fahasahiana aho, ka nisy hery ny fanahiko. Salamo 138:3
Charles Spurgeon (1834-1892) dia nitory tamin-kery ny Filazantsara ; mpitoriteny fanta-daza sy nankafizina izy. Na izany aza anefa dia matetika izy no rera-tsaina amam-panahy.
Nisy vanimpotoana iray teo amin’ny fiainany nanamarika azy fatratra. Teo am-pitoriana teny izy, no nisy olona iray nikiakiaka hoe : „Vonjeo ! Afo !” Nisy fifanosehana mahatsiravina niteraka fahafatesan’olona maro sy faharatrana mafy teo amin’ireo mpihaino. Nanatri-maso izany zava-nitranga izany i Spurgeon, tsy afa-nanao na inona na inona, hany ka tsy nety tafarina tamin’izany intsony. Hoy ny vadiny : „Lalina sy nahery vaika aoka izany ny tebitebin’ilay malalako, ka toa nivena ny sainy, ary indraindray izahay dia nanahy ny tsy hitoriany teny intsony”.
Tamin’ireo taona nanaraka i Charles dia niresaka matetika ampahibemaso ny toe-panahiny. Matetika izy no nitafa tamin’ireo olona rera-tsaina amam-panahy. Noresahiny tamin’izy ireny „ny fanahy torotoro, notrobaran-tsabatra… levona, tsy milamina, mijaly”. Nampiononiny izy ireny, nefa nampirisihiny hiady sy tsy „hamahana io hadalan’ny fanahy io”.
Sady nanoro hevitra i Spurgeon mba hiala sasatra, hifampikasoka amin’ny voary, ary hihinam-panafody, no niresaka ny soa azo amin’ny vavaka sy ny famakiana ny Baiboly ary ny fihainoana toriteny. Tsy nitsahatra nanohana, nampahery ary nandrisika azy ny fiantran’Ilay Rainy any an-danitra, Izay nahalala hoe inona ny zavatra namboarana azy. Na nandritra ireo vanimpotoana sarotra aza i Charles dia nahafantatra fa Andriamanitra dia hanome azy ny fandresena farany, ary „hamotika ny mpampahory”.
Toa azy koa, ry kristiana tratran’ny hakiviana angamba, ndao hahita fankaherezana ao amin’ny fanatrehan’Ilay Andriamanitsika sy ny hatsarampony. Afaka manome tokoa izay rehetra ilaintsika Izy (Filipiana 4:19).