Alahady 31 Mey 2026
Fa toy ny ananantsika zavatra maro momba ny tena iray, nefa tsy mitovy asa izay rehetra momba ny tena (izay rehetra rantsambatana), dia toy izany koa isika, na dia maro aza, dia tena iray ihany (vatana iray ihany) ao amin’i Kristy, ary samy miara-momba ny tena isika rehetra. Romana 12:4-5
Ny vaninandro iainantsika dia voamariky ny fanavahan-tena amin’ny maro. Te ho tafavoaka samirery isika, ary te hiaina ho an’ny tena manokana. Mihevitra isika fa tsy mila an’iza na iza, ary indraindray koa mihevitra fa tsy ilain’iza na iza.
Io toe-tsaina io dia mampirona antsika ho voatarika ho amin’izany koa, eo amin’ny fiainana maha kristiana antsika. Dia mety halaim-panahy isika hiaina mitokana ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra, mihevitra fa ampy antsika izany ; nefa ny mifanohitra amin’izany no lazain’ny Baiboly.
Raha vao nandray an’i Jesosy Kristy ho Mpamonjy isika, dia anisan’ny Tenan’ny Kristy. Io Tena io dia lazalazain’ny Baiboly amin’ny endrika kisarisary ho voarafitra rantsambatana samihafa, ka ny mpino tsirairay no rantsambatana, ary Jesosy Kristy no Loha. Koa satria anisan’io Tena io isika, dia mifandray amina rantsana hafa, ary izany dia tsy maintsy miteraka fifandraisana amina endriny samihafa : fifampizarana, fifanampiana, fifampiononana, fifampaherezana, asa iraisana… Ahoana moa, ohatra, no hahafahantsika mifankatia, mifampionona na mifampahery, raha toa isika tsy manana fifandraisana amin’ny rahalahy sy anabavy iray finoana amintsika ? Mila ireny fifandraisana ireny isika, mba hitomboantsika amin’ny finoana sy hanampiantsika mpino hafa handroso.
Koa ndao àry hankasitraka an’Andriamanitra noho ny nanomezany antsika namana mpino afaka manohana sy mampahery antsika ao anatin’ny fitsapana, nefa ihany koa afaka ampiononintsika sy atanjahintsika. Ndao koa hampahery tena tsy hiolonolona ao amin’ny fiainam-pinoantsika. Miaraka amina kristiana hafa, ndao hanompo, hidera, hitsaoka Ilay Andriamanitsika, hifampizara ny finoantsika ao anatin’ny fifalian’ny Tompo.