Asabotsy 30 Mey 2026
Raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin’ny alitara ianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao, dia avelao eo anoloan’ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin’ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao. Matio 5:23-24
Anaty fifandirana amin’olona iray ianao, ka miantraika amin’ny fiainanao andavanandro izany, ary hatrany amin’ny fahasalamanao aza angamba. Henoy ny lazain’i Jesosy antsika ao amin’ny Baiboly, ary avereno vakina ny andinin-tSoratra masina androany. Mampandini-tena antsika io Teny io e ? Angamba ianao miandry ilay olona hanao ny dingana voalohany ; ary izy koa angamba miandry toy izany. Dia mandeha eny ny fotoana… Androany Jesosy dia miteny aminao hoe : „Mandehana aloha, ataovy izay hihavananao aminy”. Mazava sy mahitsy izany. Fepetra mialoha ny fiderana atolotsika an’Andriamanitra mihitsy aza (ara-pifanahafana amin’ny „fanatitra ho eo amin’ny alitara”, izay milaza ireo fomba fanaovana fanatitra ao amin’ny Testamenta Taloha). Manahy ve ianao sao tsy handeha amin’ny tokony ho izy ny fiderana atolotsika ? Heverinao ve hoe tokony havela handeha ny fotoana, ary hoe hiravona ihany ny toejavatra any aoriana any ? Mbola tsy niainanao mihitsy ve fa ny toejavatra iray avela tsy milamina dia tsy maintsy miharatsy kokoa hatrany ? ary manimba ny fifandraisanao amin’ilay olona manana alahelo aminao. Hoy ny Baiboly : „Aoka tsy ho tratran’ny masoandro milentika ny fahatezeranareo. Aza manome fitoerana ho an’ny devoly” (Efesiana 4:26-27). Te handratra anareo roa tonta i Satana, ka manangana sakana eo anelanelanareo. Hekenao hanao izany ve izy ?
Ry kristiana, aza hadino na oviana na oviana fa namela ny helotsika tsy tambo isaina Andriamanitra, ary nampihavana antsika taminy tamin’ny nahafatesan’i Jesosy Kristy (Romana 5:10). Koa ao anatin’ny tsy fifanarahantsika amin’ireo rahalahy sy anabavintsika amin’ny finoana, dia ndao hamela heloka, hangataka famelan-keloka, hanadino ny fanafintohinana, hitady fihavanana. Tsy ny hananantsika indray fifandraisana madio amin’ny hafa fotsiny ihany no tambin’izany, fa ny hananana fiombonana marina amin’Andriamanitra ihany koa.