Zoma 29 Mey 2026
Andriamanitry ny famelan-keloka Ianao, ka miantra sy mamindra fo. Nehemia 9:17
Aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy. Efesiana 4:32
Ny faniriana hamaly faty, hamaly fanafihana, hamaly bontana, dia mameno fangidiana ao amin’ny fanahy, fangidiana manimba azy raha tsy ampitonian’ny hamorampo sy famelan-keloka ampianarin’ny Kristy. Izay mikolokolo lolompo dia mitahiry ny vesatry ny fijaliana sy mandà ny fahafahana omen’ny famelan-keloka.
Tsy mora ny mamela heloka. Rehefa mahafantatra isika fa nandray tombontsoa avy amin’ny fiantran’Andriamanitra sy ny famelany heloka, dia tokony ho voataona hanao toa Azy amin’ny hafa ihany koa.
Hoy ny navalin’i Jesosy an’i Petera, izay nanontany Azy hoe impiry izy no tokony hamela ny heloky ny rahalahiny : „Hatramin’ny impito amby fitopolo” (Matio 18:22), izany hoe mandritra ny fiainantsika manontolo ! Ary Izy Jesosy, nohomboana teo amin’ny hazofijaliana, nizaka fijaliana mampihoron-koditra ara-batana sy ara-panahy, dia nanonona ny teny feno fitiavana hoe : „Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony” (Lioka 23:34).
Impiry impiry moa isika, eo amin’ny fiainantsika andavanandro, no tojo ratra kely miitatra avy folo heny noho ny famaliantsika diso tafahoatra ireny ratra ireny ? Ary indrindra, isika ve indraindray tsy manafintohina ny hafa ihany koa ? Ny fitiavana no loharanon’ny famelan-keloka. Raha mandresy ny avonavona isika rehefa voaratra na te handratra, dia manokatra ny fo hidiran’ny fitiavana, dia ilay fitiavana nampidinin’Andriamanitra ao am-pontsika (Romana 5:5) ary tokony hotadiavintsika (1 Korintiana 14:1). Ny hoe mitady dia mila ezaka tsy tapaka, miezaka satria mahatsapa fa isika ihany koa dia voavela heloka, tamin’ny alalan’i Jesosy, Izay nizaka teo amin’ny hazofijaliana ny sazin’ireo helotsika. Io fitiavany io no hany afaka mitondra antsika ho amin’ny fifaliana sy ny fiadanana, vokatry ny asan’ny Fanahy Masina ao anatintsika.