Alakamisy 28 Mey 2026
Miomàna hihaona amin’Andriamanitrao. Amosa 4:12
Indro, ankehitriny no andro fankasitrahana ; indro, ankehitriny no andro famonjena. 2 Korintiana 6:2
Tsy manao ampitso lava
„Aza andrasana ho rahampitso izay azonao atao anio.” Ohatra ny mitombina io fiteny io, raha ahafahantsika hahomby kokoa sy hanana fotoana hanaovana zavatra hafa ny ampitso. Nefa indraindray dia tsy afaka tanterahina intsony izay noheverina hatao ny ampitso. Amin’izay dia tsy fahombiazana no resaka, fa fanaovana an-tsirambina : tokony teo no ho eo ihany dia nihetsika ; tara loatra aorianan’izay.
Olona maro no mametraka fanontaniana momba ny hoaviny, sy izay misy aorianan’ny fahafatesana. Misaintsaina io fanontaniana fototra io izy ireo, nefa manemotra ny fotoana hieritreretana marina izany : „Eny e, mbola hanana fotoana ihany handinihana izany, rehefa hita manakaiky ny fahafatesana…”
Fantatsika ve raha ho hitantsika ny hahatongavany ? Indraindray izy tonga tsy mampandre. Mety minia manakimpy maso koa isika, mba tsy hahita io hiaviany io. Ny fahamalinana tsotra indrindra dia mba tokony hitaona ny olona tsirairay ho sahy mametraka amin’ny tenany ny fanontaniana lehibe indrindra eo amin’ny fiainana, dia ny fihaonana tsy hay ihodivirana amin’Ilay Andriamanitra Mpahary.
Tsia, aza miandry ho rahampitso vao hanao izay tokony hatao anio. Androany ianao dia afaka miaiky eo anatrehan’Andriamanitra ny maha mpanota anao, manaiky handray ny fahasoavany sy ny famelan-keloka atolony, mino ny Tompo Jesosy, Izay maty teo amin’ny hazofijaliana mba hampihavana anao amin’Andriamanitra. Rahampitso mety ho tara loatra.
Mbola fotoana izao ! Ho amin’ny fiainana mandrakizay
No iantsoan’ny Zanak’Andriamanitra anao, izao.
Jesosy izany ! Valio Izy !
Eny, manatòna ! Raiso anio ny fiainana mandrakizay.