Alarobia 27 Mey 2026
Ny fahamarinana … ao amin’i Jesosy. Efesiana 4:21
Hifaly dia hifaly amin’i Jehovah aho, ny fanahiko ho ravoravo amin’Andriamanitro ; fa notafiany fitafiana famonjena aho, ary nakanjoiny akanjo fahamarinana. Isaia 61:10
Teraka tamina ray aman-dreny tsy mino ny fisian’Andriamanitra aho, ary nihalehibe, tsy nahare mihitsy resaka momba ny Baiboly na momba an’i Jesosy Kristy. Nampianarina aho hoe tsy misy Andriamanitra. Ny hany fifandraisako tamin’ny fivavahana kristiana dia ireo zanak’olo-mpiray tampo amin’ny ray aman-dreniko. Nahazo vola be izy ireo rehefa natao „konfirmasiona”, ka nitsiriritra azy ireo aho. Nefa izy ireo dia tsy niresaka mihitsy momba ny Baiboly, ny Tenin’Andriamanitra. Noheveriko ho anisan’ny tao amina karazam-pikambanana iray izy ireo.
Rehefa nanjary olon-dehibe aho dia nahita fa ny tontolo niainako —tany amin’ny oniversite, tao amin’ny haino aman-jery, tamin’ny fifaneraserana ara-piarahamonina- dia voamariky ny lainga sy ny fitaka. Fa aiza no misy ny fahamarinana ? Very hevitra aho, ka latsaka tao anatin’ny harerahan-tsaina. Dia nikaroka ny fahamarinana tany amin’ny fanompoana hery miafina sy tany amina antokom-pivavahana samihafa.
Indray andro dia nisy nanome Baiboly ahy, ka nanomboka namaky azy io aho. Nisy lahatsoratra maro tsy takatro tao, nefa tsapako fa hafa tsy toy ny boky rehetra izy io. Arakaraka ny namakiako azy dia voamariko fa Andriamanitra Izy tenany mihitsy no niteny tamiko ; tonga saina aho fa ny Baiboly dia Teniny. Rehefa namaky ireo tenin’i Jesosy Kristy aho, hoe : „Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako” (Jaona 14:6), dia hitako ny Fahamarinana. Niaiky tamin’Andriamanitra ny maha mpanota ahy aho. Eny, maty teo amin’ny hazofijaliana Jesosy Kristy mba hizaka ny vesatr’ireo fahadisoako, ary nanafaka ahy tanteraka tamin’ireo !
Sambatra aoka izany aho, nahita ny fahamarinana, ka misaotra an’Andriamanitra isanandro, misaotra Azy amin’ny foko manontolo ! Fantatro ankehitriny fa tia ahy fatratra Andriamanitra ; nefa fantatro koa ny andrasany amiko, dia ny hiaina ao amina lalam-pitiavana sy fahamarinana.