Talata 26 Mey 2026
Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny ; tahaka ny endrik’Andriamanitra no namoronany azy ; lahy sy vavy no namoronany azy. Ary Andriamanitra nitsodrano azy. Genesisy 1:27-28
Ny nidiran’ny ota … ho amin’izao tontolo izao. Romana 5:12
Ny ota no fandikana ny lalàna. 1 Jaona 3:4
Ny olona dia mandroso petrakevitra isan-karazany momba ny loharano niavian’ny zanak’olombelona, nefa ny pejy voalohany ao amin’ny Baiboly no manome antsika ny hany fanazavana azo antoka, dia ny fanazavan’Andriamanitra. Ambaran’ny Baiboly fa isika dia zavaboarin’Andriamanitra, noarìny hitovy endrika aminy. Rehefa vitany tanteraka ny fahariany manontolo, dia Izy Andriamanitra mihitsy no nanambara, araka ny fitsarany manokana, hoe : „Tsara indrindra izany” (Genesisy 1:31).
Tsara indrindra hoe ? Toa mifanohitra amin’izany fitsarany izany anefa ireo fisaonana, ady, fahantrana, herisetra, aretina ary fahafatesana, misy lalandava eto an-tany. Ahoana ny fomba nahafahan’ireo fijaliana ireo niditra teto amin’ny tontolontsika ? Satria tsy nankatò an’Andriamanitra ny olona, na dia nampitandremany aza. Ary ny tsy fankatoavana an’Andriamanitra dia fandikana lalàna, fitondrantena tsy misy fitsipika, tsy hay tohaina.
Tranga tsy azo iverenana ilalana no vokatr’izany : tafiditra teto amin’izao tontolo izao ny ota ; tsy nahatratra ny tanjona napetrak’Andriamanitra ny olona. Masina anefa Andriamanitra, ka noho izany dia tsy maintsy mampihatra ny didim-pitsarany. „Fahafatesana no tambin’ny ota” (Romana 6:23). Ary io lalana mankany amin’ny fahafatesana io dia mitondra any amin’ny fahaverezana mandrakizay, rehefa tapitra ny fiainantsika eto an-tany.
Nefa Andriamanitra dia tia ny olona noarìny ary tsy tia ny hahavery azy ireo. Nanomana lalana ivoahana Izy, lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Manambara vaovao mahafaly amin’ny tsirairay Izy : „Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy” (Romana 5:8). „Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao” (Asan’ny Apostoly 16:31). „Izay mino ny Zanaka (ny Zanak’Andriamanitra), manana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:36).