Alatsinainy 25 Mey 2026

Nahoana no miteny ianao… hoe : … Tsy hitan’Andriamanitro ny rariny tokony ho ahy ? Tsy fantatrao va ? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah… ? Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy… Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be. Isaia 40:27-29

 

Omaly, anio, rahampitso

Hatramin’izao androany izao, nitahy anao Andriamanitra, Hitanao ho mahatoky mandrakariva Izy ; Raha mbola tsy tapitra ny lalana, Raha mampahory ny fitsapana indraindray, Mahereza, ry kristiana ! Mivavaha, mitsaoha. Mbola te hitahy anao ny Andriamanitrao.

 

Nampionona anao Izy Isaky ny tojo fahoriana ny lalanao. Nanohana anao Izy rehefa novesaran’ireo Zava-manahirana anao sy ireo fisalasalanao ianao. Andrandrao ny maso ka mivavaha, mitalahoa Amin’Andriamanitrao Izay mbola mampionona anao.

 

Hatramin’izao androany izao, ny tanany tsara Dia nanome anao ny tohana nilainao ; Raha manjavozavo ny hoavy, Dia ho fahazavanao mandrakariva Izy ; Ny alinao hodimbiasin’ny maraina. Ry kristiana, mbola momba anao hatrany Andriamanitra.