Alahady 24 Mey 2026

(Hoy Jesosy :) Izaho hangataka amin’ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, dia ny Fanahin’ny fahamarinana… fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo. Tsy hamela anareo ho kamboty Aho. Jaona 14:16-18

 

Ny fahasambarana manana ny Fanahy Masina

Nanomboka tamin’ilay Andro Pentekosta mendrika hotsarovana, efa ho 2000 taona lasa izay, rehefa nidina tamin’ny apostoly ny Fanahy Masina, dia mandray ny Fanahy Masina ireo rehetra manaiky ho an’ny tenany manokana, amin’ny finoana, ny asa fanavotana nataon’i Jesosy Kristy (Efesiana 1:13). Ny fanomezana ny Fanahy Masina dia misy akony mahasoa ho an’ny kristiana, eo amin’ny lafim-piainany rehetra. Amin’ny alalan’ny Fanahin’Andriamanitra, izy ireo dia :

— manana antoka fa zanak’Andriamanitra (Romana 8:14-16) ;

— manana fahafahana miresaka malalaka amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny vavaka (Joda 20) ;

— natao afaka mitsaoka an’Andriamanitra „amin’ny fanahy sy ny fahamarinana” (Jaona 4:23-24) ;

— notarihin-dalana mba hahatakatra ny Tenin’Andriamanitra sy ny fahamarinana momba an’Andriamanitra (Jaona 16:13) ;

— mandray ny hery hiainana hitondrana „vokatra” ho an’Andriamanitra (Galatiana 5:22) ;

— mandray fanomezana ara-panahy hampianarana sy hampaherezana ny mpino (1 Korintiana 12:1-3) ;

— afaka manohitra ny fanafihan’i Satana, amin’ny fampiasana ny „sabatry ny Fanahy”, izany hoe ny Tenin’Andriamanitra (Efesiana 6:17) ;

— mifaly amin’ny fitiavan’Andriamanitra narotsaka tao am-pony, na dia ao anatin’ny fitsapana aza (Romana 5:5) ;

— manana fo mitodika amin’ny Kristy ary miandry ny fiaviany (Apokalypsy 22:17).

Noho ireo antony rehetra ireo, ny mpino dia mahatsapa isanandro fa tsy navelan’ny Kristy ho „kamboty” etỳ an-tany, satria manana ny Fanahy Masina, Ilay „Mpananatra” avy amin’Andriamanitra (Soratra Masina androany).