Asabotsy 23 Mey 2026
Fa ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra … ka izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana, aloha ; ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ny rahona, hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka. 1 Tesaloniana 4:16-17
Koa amin’izany miambena ianareo, fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora. Matio 25:13
„Ary amin’izany ny fanjakan’ny lanitra dia ho tahaka ny virijina folo, izay nitondra ny fanalany ka nivoaka hitsena ny mpampakatra. Ary ny dimy tamin’ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry. Fa ny adala nandray ny fanalany, nefa tsy nitondra solika fitaiza ; ary ny hendry kosa nitondra solika tao anatin’ny fitondrany sy ny fanalany. Ary raha naharitra ela ny mpampakatra, dia samy rendrehana avy izy rehetra, ka dia natory. Ary nony mamatonalina, dia nisy antso hoe : Indry ny mpampakatra ! mivoaha mba hitsena azy. Dia nitsangana ireo virijina rehetra ireo, ka samy namboatra ny fanalany. Dia hoy ny adala tamin’ny hendry : Mba omeo kely amin’ny solikareo izahay… Fa raha mbola lasa nividy izy, dia tonga ny mpampakatra, ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin’ny fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana. Ary rehefa afaka izany, dia tonga kosa ireo virijina teo ka nanao hoe : Tompoko, tompoko, vohay izahay. Fa izy namaly hoe : Lazaiko aminareo marina tokoa : Tsy fantatro ianareo. Koa amin’izany, miambena ianareo, fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.”
Ny virijina folo dia mampahatsiaro ireo mitondra ny anarana hoe kristiana. Mba tokony hiandry ny fiverenan’ny Kristy izy ireo, ary hamirapiratra ao anatin’ny haizina ara-toe-panahin’izao tontolo izao, nefa dia natory. Amin’ny fiverenan’ny Kristy, dia ireo izay manana solika ao amin’ny fanalany, noho izany manana ny fiainana mandrakizay, ireo ihany no hakarina hitsena ny Mpampakatra, dia ny Tompo. „Koa amin’izany, miambena ianareo”, hoy Jesosy amintsika.
Nino Azy ve aho, mba hekena ho anisan’ny Azy amin’ny fiverenany ?
Raha manana io fiainana io aho, mamirapiratra toy ny fanala ve izy io ? eo am-piandrasako an’i Jesosy.