Zoma 22 Mey 2026

Niandry ny fahari-pon’Andriamanitra tamin’ny andron’i Noa, raha mbola namboarina ny sambofiara, izay nidiran’ny olona vitsy, dia izy valo mianaka, ka dia namonjena azy ny rano. 1 Petera 3:20

Ny fahari-pon’ny Tompontsika dia ekeo ho famonjena. 2 Petera 3:15

 

Rehefa hahatratra ny faratampony ny faharatsiana

Maro ny mpino mety ho taitra manoloana ny fanovàna ho fanao mahazatra ny ratsy eo amin’ny fiarahamonina, sy ny fiovàn’ny fomba amam-panao, fiovàna miteraka vokatra mihafaingana kokoa hatrany. Ary izany rehetra izany dia ankatoavina, na farafahakeliny, leferin’ny manampahefana manafoana, amin’ny lalàna apetrany, ireo sakana ara-toe-panahy. Hita indrindra io fitotonganana io any amin’ny tontolo tandrefana, izay mitonon-tena ho „kristiana”. Misy mpino taitra ihany koa noho ny tsy fidiran’Andriamanitra an-tsehatra, manoloana ny tsy fankatoavana sy ny faharatsian’ny olona noarìny. Nefa raha mamaky tsara ny Baiboly dia mahalala fa hiditra an-tsehatra Andriamanitra amin’ny fotoanany, rehefa hahatratra ny faratampony ny faharatsiana, toy ny tamin’ny vahoaka Amorita (Genesisy 15:16). Araka izany, ny faharipon’Andriamanitra sy ny fitiavany dia tsy mampihatra ireo fitsarany, raha mbola misy ihany koa fahafahana mino ny Tompo Jesosy mba handraisana ny fahasoavany sy ny fiainana mandrakizay.

Amin’Andriamanitra, na dia „asany —tsy ilay fanaony mandrakariva” (Isaia 28:21) aza ny fitsarana, izay tsy ahitany fahafinaretana kely akory, dia hotanterahiny rehefa tonga amin’ny faratampony ny faharatsiana. Dia ny fitsarana irery ihany no afaka hanakana ny ratsy sy ny herisetra.

Ankehitriny anefa dia mbola fotoana tian’Andriamanitra hampahafantarana ny fahasoavany : „Ny Tompo… mahari-po aminareo … ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra” (2 Petera 3:9).

Ry kristiana, tsy tokony hanozongozona antsika izany toejavatra mampalahelo izany. Ireo famantarana manambara mialoha toejavatra hitranga tsy ho ela dia tokony hitarika antsika hivavaka ho an’ny olona rehetra, sy hiomana hihaona amin’ny Tompo, Izay ho avy tsy ho ela (1 Tesaloniana 4:16-17).