Alakamisy 21 Mey 2026

(Hoy Jesosy :) Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Matio 11:28

(Hoy Jehovah :) Ny teniko… tsy tahaka ny kanonta manorotoro ny vatolampy va ? Jeremia 23:29

 

Ilay Baiboly hita indray

„Nivavaka mafy ho ahy ny reniko, ary tsy very fanantenana mihitsy fa hitodika amin’Andriamanitra aho. Nandritra ny taona voalohany nianarako ho mpitsabo aho dia nanalavitra Azy vetivety foana. Tam-pahamaivanan-doha fatratra aho dia nanomboka nivarotra zavajavatra noheveriko ho tsy ilaiko intsony —anisan’izany, Baiboly nomen’ny reniko ahy rehefa handao ny tranon-dray aman-dreniko aho.

Tatỳ aoriana, rehefa niasa tany amin’ny hôpitaly aho dia nahita fahoriana isan-karazany. Ary rehefa nifanerasera tamina kristiana resy lahatra aho, dia niverina nahatsiaro ny reniko sy ny andron’ny fahatanorako.

Indray andro dia nisy mpandatsa-biriky iray naratra mafy, nampidirina. Tsy nisy fanantenana intsony ny aminy, ary fantany fa ho faty izy. Nanohina ahy ny endriny miramirana, indrindra moa fa hitako tsara hoe nijaly aoka izany izy.

Tsy nanan-kavana izy, ary taorianan’ny nahafatesany dia navelatra teo anatrehako ny fananana keliny. Anisan’izany, Baiboly iray. Toy inona moa ny ny fihetseham-poko ! nahafantatra ilay Baiboly nomen’ny reniko ahy fahiny. Mbola tao ny anarako sy andinin-tSoratra masina iray nosoratan’ny tanany.

Hita niharihary fa namaky fatratra ilay Baiboly ity tompony farany, satria teny maro no voatsipika tao. Nanohina ahy mafy indrindra izany, ka nandalo teo anoloako ny fiainako manontolo feno fahotana sy lavitra an’Andriamanitra. Tsy nahita fiadanampo aho, raha tsy nandray an’i Jesosy Kristy ho Mpamonjiko sy Tompoko.”