Alarobia 20 Mey 2026
Fa raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy (amin’Andriamanitra). Hebreo 11:6
Satria efa nohamarinina tamin’ny finoana isika, dia manana fihavanana amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika. Romana 5:1
Ny hoe finoana dia faharesen-dahatra lalin’ny fanahy, eo anatrehan’ireo fihevitr’Andriamanitra. Mino ny Tenin’Andriamanitra mampahafantatra ireo isika, mandray ny Teniny ho marina, am-pahatsorana sy fanetrentena tanteraka, satria io Teny io dia misy ny tombo-kasen’Ilay Andriamanitra feno fiandrianana. Ao amin’ny Baiboly, arakaraka ny tontolo manodidina, ny teny hoe „finoana” dia mety mampiseho lafiny maro samihafa.
— Ny finoana no fomba hahazoan’ny olona famonjena mandrakizay, tsy iverenana : „Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao” (Asan’ny Apostoly 16:31). „Fa fahasoavana no namonjena anareo, amin’ny finoana… tsy avy amin’ny asa” (Efesiana 2:8-9).
— Ny finoana dia ny fitambaran’ireo fahamarinana ampianarin’ny Baiboly antsika. Isika dia tokony hihazona ho feno sy „hiaro ny finoana izay efa voatolotra indray mandeha monja ho an’ny olona masina” (Joda 3).
— Ny finoana dia fatokiana am-pahatoniana an’Andriamanitra, eo amin’ireo trangan-javatra samihafa miseho eo amin’ny fiainana isanandro : „Manàna finoana an’Andriamanitra” (Marka 11:22), hoy Jesosy tamin’ny mpianany, izay nangataka taminy, indray andro, hoe : „Ampitomboy ny finoanay” (Lioka 17:5).
— Io finoana matoky io dia fanomezana avy amin’ny Fanahy Masina. Ny mpino dia afaka mahazo fatram-pinoana lehibe ahaizany miasa mba hahasoa ny Fiangonana : „Fa ny anankiray nomen’ny Fanahy teny fahendrena, ary ny anankiray teny fahalalana… ary ny anankiray finoana, amin’izany Fanahy izany ihany” (1 Korintiana 12:8-9).
— Farany, ny finoana no hery manosika ireo vavolombelon’Andriamanitra hiasa eto amin’izao tontolo izao. Izy ireo dia mihetsika sy mihasahy noho ny finoana, izay „fatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita” (Hebreo 11:1).