Talata 19 Mey 2026

Nahita azy tany an’efitra Izy (Andriamanitra), dia tany amin’ny tany foana be nampierona, ka dia nanodidina sy niahy azy, ary notandremany tahaka ny anakandriamasony… Jehovah irery no nitondra azy. Deoteronomia 32:10, 12

 

Mihevitra antsika Andriamanitra

Ny andinin-tSoratra Masina tanisaina etsy ambony dia miresaka ny vahoaka Israely, izay notantanan’Andriamanitra nandritra ny 40 taona namakivakiany ny taniefitra. Mandraka ankehitriny Andriamanitra dia mbola mikarakara sy mampahery ny mpino, mandritra ny fiainany etỳ an-tany, fiainana matetika mitovy amina taniefitra. Mety ho „irery eto amin’izao tontolo izao” isika, ao anaty fanirery lehibe, na eo aza ny vahoaka sy ny tabataba manodidina antsika, mahatonga antsika handre kiakiaka ao amin’ny fanahintsika. Ndao àry hitady an’Andriamanitra : „Mangetaheta an’Andriamanitra ny fanahiko, dia Andriamanitra velona” (Salamo 42:2). Isika rehetra dia samy noarìny, ary ny voary dia mila mivelona eo anilan’Ilay Mpahary azy, mba hivelatra. Andriamanitra dia „mamorona ny fanahin’ny olona ao anatiny” (Zakaria 12:1). Mahalala antsika tsara kokoa noho isika Izy, Izy irery no mahafantatra izay tena ilaintsika.

Raha manatona an’Andriamanitra isika, mametraka aminy ny fiainantsika, dia omeny toky fa hotantanany isanandro. „Hitsinjo anao ny masoko, ka hanolo-tsaina anao Aho” (Salamo 32:8). Tsy mila mitebiteby intsony isika, ho an’ireo safidintsika na ny ampitsontsika. Hiara-mandeha amintsika Andriamanitra : hitanao „ny fitondran’i Jehovah Andriamanitrao anao, tahaka ny fitondran’ny olona ny zanany, dia teny amin’ny làlana rehetra izay nalehanareo” (Deoteronomia 1:31). Tsy vitan’ny hoe manoro antsika ny lalana tokony hizorantsika fotsiny Andriamanitra, fa mitondra antsika ihany koa eny an-tsandriny, mikarakara antsika. Ilay Andriamanitra Tsitoha dia mihevitra ny tsirairay amintsika, hatramin’ny tsipiriany kely indrindra eo amin’ny fiainantsika ! Ampahatsahiviny antsika ny toetrany tsy miovaova —hiaro antsika hatramin’ny farany Izy. Sarobidy aminy isika : „Izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasony” (Zakaria 2:12).