Alatsinainy 18 Mey 2026

Indro efa nataoko teo anoloanao androany ny fiainana sy ny soa ary ny fahafatesana sy ny loza… koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao. Deotoronomia 30:15, 19

Hoy Jesosy taminy : Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako. Jaona 14:6

 

Misafidy

Ny ankamaroan’ny safidintsika dia tsy misy lanjany firy. Tsy misy akony amin’ny hoavintsika ny misafidy akanjo, na manapa-kevitra handeha ho any amina trano fisakafoana na toerana hialana sasatra ; miteraka vokany be lavitra ny misafidy ny toerana honenana, ny mpampiasa, ary indrindra ny vady. Nefa ny hoavintsika etỳ an-tany ihany no voakasik’ireo.

Koa inona àry no holazaina momba ny hoavintsika mandrakizay ? Indray andro any isika tsirairay dia tsy maintsy hanao safidy manan-danja indrindra, hizotra amin’ny lalana tsara, dia ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Ambaran’ny Filazantsara antsika fa malalaka ny lalana mankany amin’ny fahaverezana, ka maro ny mandeha any. Mifanohitra amin’izany kosa, tèry ny lalana mankany amin’ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy (Matio 7:13-14).

Ohatra ny mora kokoa ny lalana malalaka : mahita namana maro any. Nefa jereo tsara hoe mankaiza izy io. Ianao ve dia hanaraka takelaby misy soratra hoe : „Atỳ ny mankany amin’ny fijaliana mandrakizay” ? Sanatria ! Mbola fotoana àry izao, dia mandehana amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana. Tèry izy ; midika izany fa tsy afaka mandeha aminy raha tsy efa nandao ny avonavona, ny fahafahampo amin’ny tena, ny hambo. Izany lalana izany dia Jesosy mihitsy, Izay nandray teo amin’ny tenany ny fahadisoantsika manontolo, teo amin’ny hazofijaliana, ary noho ny fahasoavany, dia nanokatra izany lalana izany ho antsika.

Tsy ho mora mandrakariva ny lalana, dia ny lalan’ny fankatoavana, lalana narahin’i Jesosy Kristy tetỳ an-tany ! Nefa fahasambarana toa inona moa ny mahalala fa mizotra eo amin’ny lalana aleha tena izy isika, eo amin’ny lalan’ny fiainana !

Anio Andriamanitra dia miteny aminao hoe : „Mifidiana ny fiainana”. Mifidiana an’i Jesosy, fa tsy hanenenanao mihitsy izany.