Asabotsy 16 Mey 2026

Tsarovy ny Mpanao anao, amin’ny andro fahatanoranao, dieny tsy mbola tonga ny andro mahory. Mpitoriteny 12:1

Iray no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona, sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra. 1 Timoty 2:5-6

 

Maty teo am-pandihizana

Nisy loza nitranga tao amina toeram-pisotroana miafina iray any East London, ao Afrika Atsimo ; dia hoy ny mpitandro filaminana : „Maty teo am-pandihizana izy ireo. Nandihy izy ireo, nianjera ary maty…” Izany toejavatra mampalahelo izany dia mahatonga saina antsika hoe zavamisy mety hihatra amin’ny fotoana rehetra ny fahafatesana. Rehefa mbola tanora ny tena, dia mihevitra fa manana andro lava hiainana, afaka mahita izao tontolo izao, mankafy ireo fialamboliny sy fahafinaretany tsy misy fetra ; dia hadino fa marefo ny aintsika.

Ny Baiboly kosa anefa dia mampitandrina mafy antsika : „Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora ianao ; ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin’ny andro fahatanoranao ; ka mandehana any amin’izay sitraky ny fonao sy izay jeren’ny masonao ; nefa aoka ho fantatrao fa hoentin’Andriamanitra hotsaraina ianao amin’izany rehetra izany” (Mpitoriteny 11:9). Jeren’Andriamanitra izay anaovan’ny olombelona ny fiainana omeny azy ireo. Taomina isika hahatsiaro ny Mpahary antsika sy hanatona Azy mandritra ny fahatanorantsika, dieny mbola tsy nanombinana ny fahafaha-manaontsika. Boky iray manontolo ao amin’ny Baiboly no nosoratana „hanomezam-pahendrena ho an’ny kely saina ary fahalalana sy fisainana mazava ho an’ny zatovo” (Ohabolana 1:4). Na tovolahy na tovovavy, dia tsy tanora loatra ka tsy afaka handray ny fahasoavan’Andriamanitra ao amin’i Jesosy, mba hananana ny fiainana mandrakizay : mety hitsahatra tampoka ny fiainana. Ny fotoana tsara indrindra inoana an’Andriamanitra dia izao ankehitriny izao. Tokony hihavana amin’Andriamanitra, dieny mbola tsy tara loatra. „Solon’i Kristy izahay, ka mangataka indrindra aminareo hoe : mihavàna amin’Andriamanitra anie ianareo” (2 Korintiana 5:20).