Zoma 15 Mey 2026
Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany, ary mbola hanohon-tànana kely hatory, dia ho tonga toy ny lehilahy mimaona hamely ny alahelonao, ary ny fahantranao ho toy ny jiolahy. Ohabolana 6:10-11
(Hoy Jesosy :) Miareta tory ianareo, ka mivavaha, mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy. Marka 14:38
Amina kisarisary tsotra maro, ny Baiboly dia mampianatra antsika lesona tena mihatra amin’ny fiainana maha kristiana antsika. Ny fanaovana an-tsirambina ny vavaka sy ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra dia mitondra ho amin’ny „fahantrana” ara-panahy.
— Ao amina fanoharana iray Jesosy dia mitantara fa nandritra ny natorian’ny olona —„mbola hatory kely ihany”- no tonga ny fahavalo, ka „namafy voan-tsimparifary teny amin’ny vary” (Matio 13:25). Asehony an-tsary amin’izany fa olana maro no vokatry ny hakamoantsika.
— „Sambory ny amboahaolo, dia ireo amboahaolo madinika izay manimba ny tanim-boaloboka ; fa efa mamony izao ny voalobotsika” (Tononkiran’i Solomona 2:15). Ny „amboahaolo madinika” dia fetsy misambotra izay rehetra takany. Mety miafina any anelanelan’ny ravim-boaloboka izy ireny. Mety havelantsika hanafoana ny fifaliana ao amin’ny Tompo ireo zava-manahirana, harena sy asa aman-draharaha andavanandro. Aoka ho haintsika tsara ny mamantatra ireny „amboahaolo madinika” manakantsakana ny fitomboantsika ara-panahy ireny. Fiainana kristiana maro aoka izany no efa rava-na asa tsy ilaina akory !
— „Ny fatin-dalitra mahamaimbo sy mampamorivory ny menaky ny mpangaroharo zava-manitra ; ary toy izany, ny fahadalana kely dia mavesatra noho ny fahendrena sy ny voninahitra” (Mpitoriteny 10:1). Fahadalana kely, fahamaivanana kely amin’ny lafiny ara-toe-panahy, na eo amin’ny fisainana na eo amin’ny atao, dia tsy mendrika ny kristiana, ary manimba ny fijoroany ho vavolombelona. Ny Baiboly dia mampitandrina antsika amin’ny resaka mahamenatra sy ny voso-dratsy (Efesiana 5:4).
Tsy fitandremana kely dia mety hiteraka voka-dratsy lehibe eo amin’ny fiainana maha kristiana antsika.