Alakamisy 14 Mey 2026

Nakarina Izy (Jesosy), raha mbola nijery izy ireo ; ary nisy rahona nitondra Azy, ka tsy hitan’ny masony intsony Izy… Indreo, nisy roa lahy teo anilany niakanjo akanjo fotsy, izay nanao hoe : Ry lehilahy Galiliana… Iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra. Asan’ny Apostoly 1:9-11

 

Lehilahy iray any an-danitra

Rehefa nitsangana velona indray Jesosy Kristy, dia niseho matetika tamin’ny apostoliny nandritra ny 40 andro. Nanaraka izany dia tonga ny andro niakarany any an-danitra. Nanara-maso Ilay Tompo malalany ny mpianatra, ary nahita rahona mandrakotra Azy. Mazava ho azy fa toy ny tamina fotoana hafa tantaraina ao amin’ny Baiboly, dia rahona tena miavaka io, rahona nisy an’Andriamanitra, nefa nanafina ny fiandrianany tsy ho hitan’ny olona (Matio 17:5). Fanampin’izany, ny „lanitra” nandray an’i Jesosy dia tsy io habaka midadasika hita maso eo ambony lohantsika io, fa ilay toerana misy an’Andriamanitra.

Trangan-javatra toy inona moa izany ! Niditra any an-danitra Ilay Zanak’Andriamanitra, Olona nomem-boninahitra sy mpialoha lalana ny mpino, izany hoe niakatra any an-danitra alohan’izy ireo. Jesosy, Ilay Lehilahy nohomboana teo amin’ny hazofijaliana, natao tsinontsinona sy naetrin’ny mpiara-belona aminy, dia nampidirin’Andriamanitra eo amina toerana vaovao, toeram-pahefana sy fisandratana. Nosatrohiny „voninahitra aman-daza” Izy (Hebreo 2:9), nomeny „ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra” (Filipiana 2:9).

Taloha kelin’ny nahafatesany, Jesosy dia nanambara tamin’ny mpianany ny trangan-javatra hoe : „Raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko” (Jaona 14:3). Io nandehanan’i Jesosy any an-danitra io dia nisantatra vanimpotoana vaovao ho an’ny mpino : nanomboka teo izy ireo dia ao anaty fifandraisana vaovao amin’ny Tompony. Miandry ny fiverenany izy ireo, ary nampanantenaina hoavy any an-danitra, hoavy mandrakizay sy feno voninahitra.