Alarobia 13 Mey 2026
Ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra … mba hahazoako an’i Kristy… Zavatra iray loha no ataoko ; manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha, eny, miezaka hanatratra ny marika aho, hahazoako ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony ao amin’i Kristy Jesosy. Filipiana 3:8, 13, 14
Tsaroako ny asa fanao tany an-tanimboaloboka, fony aho mbola ankizy. Nanampy ny raiko niava ny foto-boaloboka aho. Noho ny taonako, dia laharana foto-boaloboka iray ihany no anjarako ; nefa dia lava izy io ! Mba hampaherezana ahy, dia nilazan’ny raiko aho hijery any anoloana mandrakariva, ary tsy hiherika any aoriana mihitsy… nefa izany no nataoko matetika, mba hijereko ny asa efa vitako… Nefa dia kely erỳ izany, ka nanjary takatro fa mahakivy ny mijery any aoriana.
Ny fiainana kristiana dia tsipika lava nasian’Andriamanitra tanjona mahatalanjona eny amin’ny farany, dia ny hiaraka mandrakariva amin’i Jesosy, ao an-tranon’ny Ray any an-danitra.
Fony nanoratra ho an’ny Filipiana ny apostoly Paoly, dia efa nanana fahalalam-piainana lava : tamin’ny fotoana lasa izy dia manampahaizana ara-pivavahana tamin’ny fomba jiosy madio mangarangarana, fahaizana nahatonga azy hanenjika ny kristiana. Avy eo, rehefa niova fo ho an’ny Kristy izy, dia niaina fiainana natokany hanompoana ny Tompony vaovao, Izay nezahiny hofantarina sy hotiavina. Ny hany faniriany dia ny hanakaiky kokoa hatrany an’ny Kristy, mandra-pahatonga ny fotoana hahitany Azy mifanatrika, any an-danitra. Tamin’io fandeha mitodika amina tanjona tokana io, „hahazo an’i Kristy”, dia takatr’i Paoly fa mety hanakana azy tsy handroso ny fahatsiarovana ny lasa : fahalalana be nanomezany fahafahampo ny tenany, zava-mampiadana ara-karena nilaozany mba hanompoany ny Tompony, ary na harena ara-panahy ahafahany mieboebo aza…
Ry kristiana namana, aza mijanona eo amin’izay tsy fahombiazanao na fahombiazanao tamin’ny lasa, apetraho amin’ny Tompo ireny, fa Izy dia manombana ny aty miafina tsirairay eo amin’ny fiainanao, araka ny tena lanjany ; ary mijere any aloha, any amin’ny tanjona, any amin’i Jesosy !