Talata 12 Mey 2026
Bartimeo jamba … niantso … nanao hoe : Ry Jesosy, Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko ! … Ary Jesosy nijanona, dia nanao hoe : Antsoy ilay jamba. Ary ny olona niantso azy ka nanao taminy hoe : Matokia, mitsangàna, miantso anao Izy. Dia nanary ny lambany izy ka niantsambotra nankeo amin’i Jesosy. Marka 10:46-50
Impiry impiry moa isika no manonona io fehezanteny io ? Tsy manam-potoana hanampiana ny namako na ny mpifanolo-bodirindrina amiko, tsy manam-potoana hieritreretana, hikarakarana ny fanahiko, hifaneraserana amin’Andriamanitra, hamakiana ny Baiboly na handehanana any am-piangonana… Tsy manam-potoana hoe ?
Inona no manetsika ahy sy mitondra ny fiainako ? Ny toetoetrako ara-batana ve ? mihinana, mitafy, manao fanatanjahantena… Sa ny saiko mirehidrehitra na tototra zavatra maro aoka izany ? horonan-tsarimihetsika, mozika, fianarana, fandehandehanana…
Nefa iza moa no mandahatra izao tontolo izao sy ny fanaovany zavatra tafahoatra, mba hisakanany ahy tsy hanao fandinihana mahasoa sy milamina ? Ny devoly, ilay fahavalon’ny fanahiko. Ny tanjony dia ny hanary dia antsika, mandra-pahatonga ny andro izay —na tiana na tsy tiana- ho tara loatra hahafahana mikarakara ny fanahy… satria tsy maintsy hihaona amin’Andriamanitra isika. Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra anefa dia niseho mba handrava ny asan’ny devoly (1 Jaona 3:8), sy hanafaka antsika amin’ny fahefany. „Raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo” (Jaona 8:36).
Nandritra ny fiainany tetỳ an-tany, Jesosy dia naka fotoana mba hikarakarana ireo rehetra nangata-bonjy aminy. Teny an-dalana dia niantsoantso tamin’ny heriny manontolo i Bartimeo jamba, hoe : „Jesosy ô, mamindrà fo amiko !” Notadiavina hampanginina izy. Nefa nijanona Jesosy ! Tsy tery loatra ny fotoanany, tsy maika Izy, na tototra asa… Teo anivon’ny asany midadasika, ireo zava-mavesatra nilàna fanampiana, ny vahoaka nifanety taminy, dia vonona mandrakariva Izy hikarakara ny olona tsirairay : ho an’i Bartimeo mpangataka izay nositraniny, ho anao amin’izao fotoana izao !
Izy dia manam-potoana ho anao : te hamonjy anao, ary te hanome anao ny fiainana mandrakizay. Nefa ve ianao manam-potoana hihainoana Azy ?