Alatsinainy 11 Mey 2026

Nambarako voalohany tamin’izay tany Damaskosy … mba hibebaka sy hiverina amin’Andriamanitra izy ka hanao asa mendrika ny fibebahana. Asan’ny Apostoly 26:20

 

Ny lalan’i Damaskosy

Indraindray dia misy olona mampiasa ny fiteny notsoahina avy tamin’ny fomba kristiana, hoe : „manaraka ny lalan’i Damaskosiny”. Izany dia midika hoe manova fizotra, mandao ireo fihevitry ny tena taloha, ka manaiky ireo fihevitra notoherina teo aloha ary arovana mafy manomboka hatreo.

Saoly avy any Tarsosy no niavian’io fiteny io. Jiosy mpivavaka izy, nafana fo sy hentitra, nanohitra fatratra ny kristiana, niaina tamin’ny taonjato voalohany. Nandeha nankany Damaskosy izy hisambotra kristiana, ary rehefa ho tonga any dia „nisy mazava avy tany an-danitra nanelatrelatra tampoka manodidina azy ; dia lavo tamin’ny tany izy ka nandre feo nanao taminy hoe :

— Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy ? Ary hoy izy :

— Iza moa ianao, Tompoko ?

— Dia hoy Izy : Izaho no Jesosy Izay enjehinao” (Asan’ny Apostoly 9:3-5).

Andro vitsivitsy tatỳ aoriana dia fenon’ny Fanahy Masina izy, ka nitory ny filazantsaran’i Jesosy Kristy tany Damaskosy mihitsy. Avy eo izy dia nanjary ny apostoly Paoly, mpampiely ny finoana kristiana.

Isika ihany koa dia mety manaraka „ny lalan’i Damaskosy”, ary miverina ka mitodi-damosina ny lalana nizorana teo aloha. Toa an’i Paoly talohan’ny niovany fo, isika dia mety nanohitra fatratra ny Filazantsara sy ny finoana kristiana, ary ankehitriny kosa miaina mahafantatra an’Andriamanitra sy Jesosy Kristy Zanany. Ahoana no hahaizana manao izany ? Ny tsirairay dia mila mihaona manokana amin’Andriamanitra. Raha mbola tsy toy izany ianao, dia ampirisihinay hangataka an’Andriamanitra haneho ny tenany aminao.