Alahady 10 Mey 2026

Dia hiseho eo amin’ny lanitra ny famantarana ny Zanak’olona, ka dia hitomany ny firenena rehetra ambonin’ny tany, ary hahita ny Zanak’olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin’ny rahon’ny lanitra izy. Matio 24:30

 

Famantarana efatra : Ny Zanak’olona (4)

Ny famantarana fahefatra dia momba ny fiverenan’i Jesosy Kristy am-boninahitra eto an-tany : ny famantarana ny „Zanak’olona”. Matetika Jesosy no nanonona ny tenany tamin’io anarana io (mihoatra ny im-80 ao amin’ireo filazantsara). Io anarana io dia milaza ny maha olona Azy : natera-behivavy Izy. Ho an’ireo mpiara-belona taminy, izay nahafantatra Azy ho Ilay mpandrafitra tao Nazareta, dia mety nandeha ho azy ny fiantso hoe „Zanak’olona”. Tsy dia toy izany loatra ilay anaram-boninahitra hoe „Zanak’Andriamanitra”, izay ren’izy ireo tamin’ny teniny sy hitan’izy ireo tamin’ny asany. Fa ho an’Andriamanitra kosa, tranga toy inona moa ny hoe Ilay Zanaka mandrakizain’ny Ray niseho tetỳ an-tany tahaka Zanak’olona ! Eo am-bavana Olona Izay Andriamanitra, ny anaram-boninahitra hoe Zanak’olona dia mampahatsiaro ny halehiben’Andriamanitra, Izay nanetry tena, halehibe tsy manam-pahataperana.

Teo amin’ny fitsarana dia niteny tamin’i Jesosy ny mpisoronabe hoe : „Ampianianiko amin’Andriamanitra velona Ianao hilaza aminay, raha Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra. Hoy Jesosy taminy : Voalazanao ; ary koa, lazaiko aminareo : Hatramin’izao dia ho hitanareo ny Zanak’olona mipetraka eo amin’ny tànana ankavanan’ny Hery sy avy eo amin’ny rahon’ny lanitra” (Matio 26:63-64). Nitanisa lahatsoratra roa tao amin’ny Testamenta Taloha Jesosy, nampiseho tamin’ireo mpiampanga Azy fa tsy marika maha olona Azy fotsiny ny anarana hoe Zanak’olona : Izy dia hipetraka eo amin’ny tànana ankavanan’Andriamanitra —ny Hery- (Salamo 110:1), ary hiverina indray eny amin’ny rahon’ny lanitra (Daniela 7:13). Araka izany dia anaram-boninahitra ihany koa ny hoe Zanak’olona.

„Amin-kery sy voninahitra lehibe” no hiverenan’i Jesosy etỳ amin’ny tany nanomboana Azy teo amin’ny hazofijaliana. Amin’izay Ilay Zanak’olona tetỳ anivontsika dia heken’ny rehetra ho Ilay Zanak’Andriamanitra.

(tapitra)