Asabotsy 9 Mey 2026

(Hoy Jesosy :) Izaho no fahazavan’izao tontolo izao ; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina. Jaona 8:12

Fa Kristy no anton’ny ahavelomako. Filipiana 1:21

 

Tsy hanenina aho handao ity tontolo ity

„Tsy dia mitondra inona ho ahy intsony ny fiainana. Nahafantatra ny zavatra rehetra aho, nahita ny zavatra rehetra. Fa indrindra, halako izao vanimpotoana izao… Diso ny zavatra rehetra, nodisoina avokoa. Tsy misy intsony, na fanajana na fanatanterahana ny teny natao. Ny vola irery no manan-toerana. Heloka bevava no re tontolo andro. Fantatro fa tsy hanenina aho handao ity tontolo ity.” Asehon’izany fanambarana feno fahadisoam-panantenana nataona mpiantsehatra malaza izany fa tsy afaka ho afa-po eto amin’izao tontolo izao ny fon’ny zanak’olombelona.

Solomona mpanjaka, rehefa nandinika ny ataon’ny olona, dia manambara, ao amin’ny Baiboly, fa „zava-poana ny zavatra rehetra” „atỳ ambanin’ny masoandro” —etỳ an-tany- (Mpitoriteny 1:2, 9). Samy mandiso fanantenana izao tontolo izao sy ireo olona monina ao aminy.

Io fahatsapana mahakivy io dia mifanohitra amin’ny fiainan’ny mpino manana an’i Jesosy, Ilay Olona lavorary. Rehefa mijery an’i Jesosy izy dia talanjona amin’ny hatsarampony, ny fandavantenany, ny fahitsin’ny fijeriny. Jesosy no ilay fahazavana mitantana ny fiainany, miaraka aminy, ary manova io fiainany io. Hoy izy, mijoro ho vavolombelona : „Raha ny ho velona amin’ny nofo no hahavokaran’ny asako, dia tsy hitako izay hofidiko”. „Mifalia mandrakariva amin’ny Tompo” (Filipiana 1:22 ; 4:4). Fony nanoratra izany andalan-tsoratra izany ny apostoly Paoly dia nifatotra tany am-pigadrana, voaheloka ho faty. Inona no tsiambaratelo-na fijery toy izany ny fiainana ? fijery misy vokany. „Kristy no anton’ny ahavelomako”. Nanafaka azy tamin’ireo fahotany ny Kristy, Izy no antony mandrisika azy, tanjony, fiainany, eny na ao anatin’ny zava-tsarotra aza.

Tian’i Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, homena antsika io fiainana io. Maty teo amin’ny hazofijaliana Izy, mba hiampita hiala amin’ny haizina ho amin’ny fahazavan’ny aina izay olona mino Azy.

Eny, tsy zava-poana ny fiainana miaraka amin’i Jesosy, tena ahazoana tombony ny miaina izany !