Zoma 8 Mey 2026

Ato am-poko no iraketako ny teninao… Ny teninao no mamelona ahy. Salamo 119:11, 50

Raha fantatrareo izany, dia sambatra ianareo, raha manao izany. Jaona 13:17

 

Ahoana no fomba hitadidiana ireo teny ao amin’ny Baiboly ?

Indray andro dia tonga tsy nampoizina nitsidika misionera iray any Corée ity tovolahy kristiana, nanjary nino ny Tompo Jesosy noho ny fampianarana azony taminy. Nandeha an-tongotra kilaometatra an-jatony ilay tovolahy, mba hitanisa amin’ity „rainy ara-panahy” ireo teny ao amin’ny Baiboly nianarany tsianjery. Tena gaga ilay misionera, nandre azy afaka namerina manontolo tsy nisy diso ilay toriteny nataon’i Jesosy, antsoina hoe „toriteny teo an-tendrombohitra”, hita ao amin’ireo filazantsara.

Noderain’ilay misionera izy, nahavita nitadidy andinin-tSoratra Masina marobe toy izany. Nefa nohazavainy azy fa tsy tokony hijanona ao an-tsaina fotsiny ireo teny ireo, fa tokony hidina ao anaty fo ary hisy fiantraikany eo amin’ny fiainana. Tokony hampiharintsika izay nianarantsika.

Namirapiratry ny hafaliana ny mason’ilay tovolahy, ka nanazava izy hoe :

— Eny, marina izany ! ary toy izany tokoa no nahafahako nitadidy ireo andinin-tSoratra Masina ireo. Nandramako nianarana tsirairay aloha ireo teny ireo, nefa tsy nety niditra mihitsy. Tampoka teo dia nahita hevitra aho, ka nanandrana fomba hafa : isaky ny nahay tsianjery andinin-tsoratra iray aho, dia nankany amin’ny iray amin’ny mpiara-monina amiko tsy mino, ary nanandrana nampita aminy izay nampianarin’ilay teny ahy, teo amin’ny fiainako andavanandro. Dia tsikaritro fa niraikitra ato anatiko ireo teny.

„Aoka ho mpankatò ny teny ianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany” (Jakoba 1:22).