Alakamisy 7 Mey 2026

Izaho tia an’i Jehovah, satria efa nandre ny feon’ny fifonako Izy. Salamo 116:1

Mivavaha mandrakariva ao amin’ny Fanahy amin’ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin’izany amin’ny faharetana. Efesiana 6:18

 

Mivavaka ao an-dakoziany

Ny 14 mey 1992, 30 taona katroka taorianan’ny niovany fo ho an’ny Kristy, dia nasaina i Stephen Lungu hitoriteny ao amina fiangonana kely ao Zimbabwe, tany nahaterahany.

Dia noresahiny ny momba ny fahazazany nampalahelo, ary tatỳ aoriana, ny hetahetany hanao herisetra. Koa nisy ramatoa roa nihaino teo, nihetsiketsika. Nitsangana ny iray tamin’izy mirahavavy ary niantso azy. Niezaka tsy hihaino azy izy, nefa nisisika izy roa vavy, niteny hoe : „Avia, fa tokony hiteny aminao izahay !”

Nankeny amin’izy roa vavy i Stephen. Noraisin’izy ireo ny tanany, sady niteny izy ireo hoe : „Namaly ny vavaka nataonay Andriamanitra…” Tohina mafy izy ireo, ka sady nihomehy no nitomany… Hoy ilay iray taminy : „Jereo ny pejy voalohany ato amin’ny Baiboliko !” Izao no voasoratra tao : „Tompo ô, raha sitrakao, mivavaka izahay mba hisy lehibena andian-jiolahy iray hiova fo ao amin’ny fivoriam-bavaka rahariva eto Harare.” Vavaka tamin’ny datin’ny 14 mey 1962.

Izy mirahavavy kristiana ireo dia nanana fahazarana mivavaka eo am-panaovana raharaha ao an-dakoziany. Tamin’io andro io, volana mey 1962, dia nisy fivoriana an-kalamanjana mba hitoriana ny Filazantsara, tao amina trano heva iray. Nisisika teo anivon’ireo mpihaino i Stephen Lungu sy ny andian-jiolahy namany, nitondra baomba, mba hanapotehana ny zavatra rehetra sy hamonoana olona… Niditra an-tsehatra anefa Andriamanitra, ary ho valin’ny vavak’ireto mpino ireto io hariva io, dia voakasika tao am-pony lalina i Stephen ary nanarin’ny herin’ny Filazantsara tao amin’ny fieritreretany. Lehiben’ny jiolahy izy no nanjary mpianatr’i Jesosy Kristy.

30 taona tatỳ aoriana dia nampifaly ny fon’ireto vehivavy nivavaka tam-patokiana tamin’Ilay Andriamaniny ny fijoroan’i Stephen Lungu ho vavolombelona, ary nampahatsiaro azy ireo ny herin’Andriamanitra sy ny tsy fiovaovany. „Mivavaha, ka aza mitsahatra” (1 Tesaloniana 5:17).