Alarobia 6 Mey 2026
Ianao mino fa iray ihany no Andriamanitra ; koa tsara izany ataonao izany. Jakoba 2:19
Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao. Asan’ny Apostoly 16:31
Mino an’Andriamanitra ve ianao ? Mino ve ianao fa tsy misy afa-tsy Andriamanitra tokana tena izy ? Hamaly angamba ianao hoe : „Izany mihitsy !” Ary tena mihevitra izany tokoa. Mety hanampy aza ianao hoe mpikambana ao amina fiangonana na fikambanana izatsy na izaroa. Tsara izany, na, araka ny lazain’ny apostoly Jakoba : „Tsara izany ataonao izany”.
Efa tamin’ny andron’i Mosesy ny Israelita no niaiky fa tsy misy afa-tsy Andriamanitra tokana : „Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany” (Deoteronomia 6:4) ; midika izany fa Izy irery no manana io anarana hoe Jehovah io. Tsy ampy hahazoana famelana ny fahotana anefa ny finoana Ilay Andriamanitra tokana. Mety hampahatahotra sy hampangovitra antsika ny fahafantarana izany.
Nefa hoy kosa Jesosy : „Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako” (Jaona 14:6). Eny, rariny ny finoanao an’Andriamanitra. Nefa mba hananana fifandraisana velona amin’Andriamanitra, dia tsy maintsy mino fa tonga tetỳ an-tany Jesosy Kristy Zanany mba hanolotra ny tenany ho sorona noho ny fahotantsika, maty sy nitsangana velona indray, ary manome antsika ny fiainana mandrakizay : „Izay mino ny Zanaka, manana fiainana mandrakizay ; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy” (Jaona 3:36). Ny hoe mino an’Andriamanitra dia ny mino fa Izy dia Andriamanitry ny fahasoavana te hamela heloka antsika, noho ny sorona nataon’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana : „Fa fahasoavana no namonjena anareo, amin’ny finoana ; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra” (Efesiana 2:8).
Eny, „Andriamanitra no Andriamanitry ny famonjena ho antsika” (Salamo 68:20).