Talata 5 Mey 2026
Na dia ny vano eny amin’ny lanitra aza, dia mahalala ny fotoanandrony, ary ny domohina sy ny sidintsidina ary ny vanobe koa, samy mitandrina ny fotoana fiaviany ; fa ny oloko kosa tsy mba mahalala ny fitsipik’i Jehovah. Jeremia 8:7
Amin’ny fiandohan’ny volana mey dia miverina any Eoropa ny sidintsidina, avy „niala sasatra ririnina”. Rehefa nahavita sidina tsy miato mihoatra ny 10. 000 km ireo vorona kely ireo, dia mahita indray ny toerana nanorenany ny akaniny tamin’ny taona lasa, ary tafaverina eo saika amin’ny andro mitovy amin’ny tamin’ny taon-dasa !
Izany fahamarinam-potoanan’ny vorona mpifindra monina izany dia efa fantatra 2600 taona tany aloha, araka ny ambaran’ny andinin-tSoratra Masina androany. Asongadin’Andriamanitra ny fifanoheran’ny fahatakaran’ireo vorona ireo sy ny tsy fananan’ny vahoaka Israely fahendrena, vahoaka nanalavitra kokoa hatrany an’Andriamanitra, ary nifikitra tamin’ny fanompoan-tsampin’ireo mponina manodidina. Koa tsy maintsy nambaran’Andriamanitra azy ny didim-pitsarana, izay tsy ela dia nihatra. Taona vitsivitsy tatỳ aoriana dia nobaboin’ny Babyloniana ny firenena, noravany i Jerosalema renivohitra, ary saiky ny mponina manontolo dia nataony sesitany tany Mezôpôtamia. Jiosy vitsy an’isa sisa no niverina tany Israely, 70 taona eo ho eo taorianan’izany.
Ny fivavahana kristiana amin’izao fotoana izao ve tsy mitovy toetra amin’ny vahoaka jiosy ? Angamba tsy ny sampy jentilisa intsony no tompoina, nefa iza amin’izao fotoana izao no manaiky ireo didin’Ilay Andriamanitry ny Baiboly ? Maro ny tsy mahafantatra an’ireo, misy hafa kosa mihevitra an’ireo ho lany andro. Aleon’izy ireo manaraka ny fiheverany manokana, toy izay manaiky hampianarin’ny Tenin’Andriamanitra.
Mahalala izay tsara ho azy ireo ny vorona mpifindra monina. Nahoana moa ? Satria izy ireo tarihin’Ilay Mpahary. Isika ihany koa, ndao hanaiky hotarihin’ny fampianaran’ny Tenin’Andriamanitra.