Alatsinainy 4 Mey 2026
Ny fanahiko tsy nety nampiononina. Ta hahatsiaro an’Andriamanitra aho, ka dia nisento ; te hieritreritra aho, ka dia reraka ny fanahiko. Salamo 77:2-3
Ta hahatsiaro ny fahagagana nataonao fony taloha (aho) ; eny, hisaina ny asanao rehetra aho, ary hihevitra ny nataonao. Salamo 77:11-12
Eo am-piandohan’ity salamo ity ny mpanoratra, i Asafa, dia manoritsoritra ny toe-pony : fahoriana, fikorontanan-tsaina, tebiteby, fahaverezan-kevitra. Mifantoka amin’ny tenany ny fisainany manontolo : „ny fanahiko”, „ny saiko”, „ny foko”, „ny fahoriako”, sns. Milaza fisalasalana izy momba ny fankasitrahan’Andriamanitra, ny hatsarampony, ny famindrampony, ary ny fahasoavany (and 1-10).
Ny andininy 11 dia manamarika fiovam-pijery. Takatr’i Asafa fa ny fahatsapany anaty dia avy amin’ny sainy misaritaka, izany hoe avy amin’ny toetra maha olona azy, olona miovaova fihetsehampo. Koa manomboka eo dia mitraka sy mitony izy, fa tsy mitanondrika intsony ao amin’ny fahalemeny. Tsy miresaka ny tenany intsony izy, ao amin’ny tohin’ny salamo. Minia mampitodika ny fisainany amin’Ilay Andriamaniny izy, sy amin’ireo zava-mahatalanjona rehetra nataony.
Ny kristiana ihany koa dia mety mandalo fotoana mampisavorovoro, mampisalasala, ka tsy miadam-po intsony aza izy. Zarain’i Asafa amintsika ny tsiambaratelony momba ireo fotoan-tsarotra ireo : manodina ny fisainantsika tsy hieritreritra ny tenantsika, ary mampitodika izany amin’Ilay Andriamanitsika. Miantra antsika Izy, satria mahalala ny fahalemena mifamatotra amin’ny toetra maha olona antsika, ka mahatsiaro fa „vovoka isika” (Salamo 103:13-14). Ny Fanahiny mitoetra atỳ anatintsika no manampy antsika hampitodika ny saintsika amin’ny „zavatra any ambony” (Kolosiana 3:2). Ny Fanahiny no mampahatsiaro antsika ny asa mahatalanjona nataon’ny Mpamonjintsika, sy ny hatsaram-po andraisan’Andriamanitra sy itarihany antsika eo amin’ny fiainantsika. Io fahasoavan’Andriamanitra io dia miankina amin’Andriamanitra irery ihany, ka tsy miovaova arakaraka ny fihetsehampontsika. Dia ho afaka mifaly sy midera an’Andriamanitra isika, fa tsy hitaraindraina momba ny tenantsika !