Alahady 3 Mey 2026

Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana ; nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy famantarana ny amin’i Jona mpaminany ; fa tahaka ny nitoeran’i Jona hateloan’andro sy hateloan’alina tao an-kibon’ny hazandrano lehibe, dia toy izany no hitoeran’ny Zanak’olona hateloan’andro sy hateloan’alina ao anatin’ny tany. Matio 12:39-40

 

Famantarana efatra : Jona (3)

Ny famantarana fahatelo dia miresaka ny nahafatesan’i Jesosy sy ny nitsanganany velona indray. Te hahita famantarana maro kokoa ireo mpiara-belona taminy, te hahazo porofo hafa mampiseho ny heriny araka ny maha Andriamanitra Azy. Nefa Jesosy efa nampiharihary ny maha Ilay Mesia nampanantenaina Azy, tamina fanasitranana nambara mialoha tao amin’ny Testamenta Taloha : fanasitranana olona jamba, marenina, moana, malemy (Isaia 35:5-6). Ny mandà io fanambarana io sy mangataka zavatra hafa, dia marika fandavana sy tsy finoana.

Koa nampahatsahivin’i Jesosy azy ireo „ny famantarana ny amin’i Jona”. Io mpaminany io dia nitoetra telo andro tao an-kibona hazandrano lehibe, izay nandoa azy velona teny amoron-dranomasina, nony farany. Avy eo izy dia nankany Ninive, ilay tanàna lehibe, hanambara ny fitsaran’Andriamanitra tamin’ny mponina tao, izay nanao ratsy. Nino ny hafatra mampivadi-po nentiny ireo olona mpanota ireo, ka „nibebaka … tamin’ny nitorian’i Jona teny”, hoy Jesosy (Matio 12:41). Jona izy tenany mihitsy dia „famantarana tamin’ny Ninivita”, hoy koa Jesosy (Lioka 11:30). Angamba nanaitra ireo mpihaino ny fanafahana azy mahagaga… Nampiasain’i Jesosy io zava-nitranga fantatry ny rehetra io, mba hanambarany koa ny hahafatesany, ny handevenana Azy —telo andro sy telo alina-, ary ny hitsanganany velona indray. Io no lehibe indrindra tamin’ny famantarana rehetra.

Taomin’i Jesosy ny tsirairay handini-tena, hitodika aminy, ary hino Azy : lehibe noho i Jona Izy (Matio 12:41), Ilay Zanak’Andriamanitra, Ilay Mpamonjy izao tontolo izao.