Asabotsy 2 Mey 2026

… tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana… Hebreo 9:27

(Hoy Jesosy :) Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina ; fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy. Jaona 5:24

 

Tsy hisy fanandramana fanindroany

Inona no hitranga aorianan’ny fahafatesana ? Fanontaniana apetraky ny tsirairay amin’ny tenany izany, amina fotoana iray eo amin’ny fiainany. Ny sasany dia mihevitra fa tsy hisy mihitsy, na inona na inona. Ny hafa kosa manao an-tsaina fa tsara fanahy loatra Andriamanitra, ka tsy misy izany helo izany, ary na ho ela na ho haingana dia ho any am-paradisa avokoa isika rehetra. Mbola misy hafa koa, resy lahatra fa hiverina ho velona ao anaty vatana hafa indray isika, vatan’olombelona na ana biby.

Ireo fiheverana ireo dia tsy mifanaraka amin’izay ambaran’Andriamanitra antsika ao amin’ny Teniny. Tsy faran’ny zavatra rehetra tsy akory ny fahafatesana, ilay faravodilanitra tsy azo ihodivirana. Ny fahafatesana dia fiampitana mankany amina tontolo iray hafa, ka ny ho anjaran’ny tsirairay dia miankina amin’ny fifandraisany tamin’Andriamanitra, fahavelony. Ny Baiboly dia manavaka sokajin’olona roa :

— Ireo nandà ny fahasoavana natolotr’Andriamanitra, dia ny famonjena ao amin’i Jesosy Kristy. Na ny fahamendrehany, na ny asa soa nataony, dia tsy hahafahany manatona an’Andriamanitra. Satria tokoa mantsy „samy efa nanota izy rehetra” (Romana 3:23). Fisainana avonavona iray, lainga tapany, dia efa samy manalavitra ahy mandrakizay an’Ilay Andriamanitra masina. Tsy azo ivalozana ny didim-pitsarana : aorianan’ny fahafatesana dia hisy fitsarana. Fitsarana mampivarahontsana, tsy iverenana, mandrakizay, lavitra ny fanatrehan’ny Tompo. Tsy hisy fanandramana fanindroany.

— Ireo nino ny Tompo Jesosy. Teo amin’ny hazofijaliana Izy dia nizaka ny fitsaran’Andriamanitra ny ota, nisolo toerana ireo rehetra matoky Azy. Voavela heloka ny mpino, voafafa ireo fahotany. Tsy „hohelohina” izy (andinin-tSoratra Masina notanisaina). Aorianan’ny fahafatesana izy dia horaisina any amin’ny fanatrehan’Andriamanitra, toeram-piadanana, misy fiainana sy fahasambarana mandrakizay.

„Iraka solon’i Kristy izahay, ka mangataka indrindra aminareo hoe : mihavàna amin’Andriamanitra anie ianareo” (2 Korintiana 5:20).