Zoma 1 Mey 2026

Ankehitriny Izy (Andriamanitra) mandidy ny olona rehetra amin’izao tontolo izao hibebaka, satria Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ny fahamarinana. Asan’ny Apostoly 17:30-31

Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy amin’ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin’izao tontolo izao, ho fizahan-toetra izay monina ambonin’ny tany. Ho avy faingana Aho. Apokalypsy 3:10-11

 

Ny tendrombohitra Pelée

Any Martinique (nosy bilitika eo avaratry ny kontinanta Amerika Atsimo), eo akaikin’ny tanànan’i Saint-Pierre, dia misy tendrombohitra afotroa (volkano) antsoina hoe „ny tendrombohitra Pelée”.

Tamin’ny fiandohan’ny volana mey 1902 dia naharenesana feo nigobogobona, avy tao amin’ilay volkano. Nivazivazy ireo mponina tao amin’ilay nosy, niteny hoe : „Matory miesona ilay ingahibe ao an-tendrombohitra”. Narahina fipoahana maromaro io feo hafahafa io. Ny manampahefana dia mbola nanohy nampitony ny mponina, izay tsy nasaina niala.

Tonga ny marainan’ny 8 mey, nazava ny andro, ary niposaka tsara ny masoandro. Tampoka teo, nisy fipoahana mafy tany amin’ireo havoana niankinan’ny tanàna. Nisy setroka fotsy goavambe nipoitra avy tao amin’ny vavan’ny volkano, avy eo ranon’afo nikoriana, ranobe nidina faran’izay haingana. Tao anaty minitra vitsy dia levona ny tanàna, ka olona 30 000 no namoy ny ainy. Olona telo no tafavoaka velona, ny iray tamin’ireo dia gadra voaron’ny rindrina matevin’ny fonja.

Ambaran’ny Baiboly fa indray andro any dia hihatra amin’ity tany ity ny fitsaran’Andriamanitra, ary hahatratra ny olona rehetra meloka satria nandà ny famonjena natolotr’i Jesosy Kristy. Ho tampoka toy ny fipoahana volkano izany. Nefa mitondra fampitandremana maro ny Tenin’Andriamanitra. Isika ve dia hitovy amin’ny mponin’io tanàna io, izay tsy niraharaha ireo famantarana nialoha ny fipoahana ? sa kosa hino izay lazain’Andriamanitra ? ka hamonjy hialoka mba tsy hiharan’ny fitsarana, handray ny tolotra noho ny fahasoavany, mbola omeny antsika mandraka ankehitriny. Amin’izay isika dia ho anisan’ireo hakarin’i Jesosy any an-danitra, alohan’ny hampiharan’Andriamanitra ny fitsarany (andinin-tSoratra Masina faharoa etsy ambony).