Alakamisy 30 Avrily 2026

Fa ny teny ny amin’ny hazofijaliana dia fahadalana amin’izay ho very, fa herin’Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena. 1 Korintiana 1:18

 

Dingana an-jambany ve ?

Ilay manampahaizana amin’ny kajy Blaise Pascal dia kristiana resy lahatra, nifanakalo hevitra amin’ireo tsy mino, nandritra ny vanimpotoana niainany, antsoina hoe „libres-penseurs” (tsy manana antokom-pinoana). Nosoratan’i Pascal tao amin’ny bokiny „Pensées” (Eritreritra) fa ny Baiboly dia nanambara tsipiriany maro momba ny fiainan’i Jesosy Kristy, anjaton-taonany talohan’ny nahaterahany. Nolazainy koa fa tsy mpaminany tokana no nanao fanambarana mialoha mitombina, fa „olona maro nifandimby nandritra ny 4000 taona no nanambara mialoha hatrany, ary tsy niovaova, ny hahatongavan’i Jesosy”.

Ny kristiana dia manana antoka fa sonian’Andriamanitra ny firindrana tanteraka eo amin’ny fiainan’i Jesosy sy ireo faminaniana ao amin’ny Testamenta Taloha. Ohatra tokana monja : arivo taona talohan’ny nahatongavan’i Jesosy, ary taloha lavitry ny namoronana ny fampijaliana amin’ny fanomboana eo amin’ny hazofijaliana, dia efa nambaran’ny mpanjaka Davida ny fomba hahafatesan’i Jesosy : „Manindrona ny tongotro aman-tànako izy” (Salamo 22:16).

Ny hoe mino izay lazain’Andriamanitra dia midika hoe manaiky hiala amin’ny fomba fiheverantsika olombelona. Izany hoe misafidy ny hatoky izay lazainy antsika ao amin’ny Baiboly, fintinina hoe : „Izaho no Andriamanitr’izao tontolo rehetra izao, Izaho no nahary anao, Izaho tia anao. Tsy afaka miara-dalana isika, satria ianao mpanota, nefa nahita ny vahaolana Aho, tamin’ny nahafatesako ho anao ; te hiara-miaina aminao Aho”. Ny manaiky izany no manao ny dingan’ny finoana. Dingana an-jambany ve izany, aminao ? Nefa dingana fatokiana izany, amin’Andriamanitra, mba hahitanao fanorenana azo antoka miaraka amin’i Jesosy, Izay miteny amintsika hoe : „Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana” (Jaona 14:6).