Alarobia 29 Avrily 2026
Izay mahatoky amin’ny kely indrindra dia mahatoky koa amin’ny be ; ary izay tsy marina amin’ny kely indrindra dia tsy marina koa amin’ny be. Koa raha tsy mahatoky amin’ny mamôna tsy marina ianareo, iza no hatoky anareo ny amin’ny tena harena ? Lioka 16:10-11
Zavamisy tsapa matetika io toejavatra an-kisesy mitera-bokatra ratsy kokoa hatrany io. Tsy fitandremana kely fotsiny, dia miteraka fahavoazana mafy.
Toy izany koa ny eo amin’ny lafiny ara-panahy. „Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany, ary mbola hanohon-tànana kely hatory, dia ho tonga toy ny lehilahy mimaona hamely ny alahelonao, ary ny fahantranao ho toy ny jiolahy” (Ohabolana 6:10-11). Ny andinin-tSoratra Masina androany dia mampahatsiahy ny kristiana fa andraikiny ny ho mahatoky sy marina, na dia amin’ireo zavatra bitika aza. Satria ahoana moa isika no ho mahatoky amin’ny zavatra lehibe, izay matetika maro singa sy sarotra, raha tsy mahatoky akory amin’ny zavatra mora andavanandro ? Hazavain’ny faran’io andinin-tSoratra Masina io fa Andriamanitra dia tsy afaka hanankina andraikitra lehibe amintsika, raha ataontsika tsinontsinona ny asa madinika ampanaoviny. Ndao àry hiasa am-pitandremana, na amin’izay heverintsika ho toa tsy manan-danja firy aza.
„Izay ilain’i Jehovah aminao, dia izao ihany : Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindrampo ary ny hanaraka an’Andriamanitrao amin’ny fanetrentena” (Mika 6:8).