Talata 28 Avrily 2026
Andriamanitra dia lehibe loatra, ka tsy leon’ny zanak’olombelona. Koa nahoana no manome tsiny Azy ianao, noho ny tsy nampisehoany izay antony amin’ny ataony ? Joba 33:12-13
(Hoy Joba :) Koa dia nilaza izay tsy fantatro aho, dia zava-mahagaga loatra amiko… Fa ankehitriny izao kosa dia ny masoko no mahita Anao ; koa dia miaiky sy mibebaka … aho. Joba 42:3, 5-6
Mpino i Norbert. Mbola tsy telopolo taona akory izy, nefa efa miady amin’ny homamiadana nandritra ny volana maro. Samy mivavaka mafy ho an’ny fahasitranany na ny fianakaviany na ny namany. Nanome toky i Norbert fa hanokana ny fiainany ho an’Andriamanitra, raha sitraniny. Feno fanantenana izy tamina fizahana fanaraha-maso nataon’ny mpitsabo. Toa nisy vokany ny fitsaboana niaretany ny mafy, ohatra ny tsy hita intsony ny fivontosana, na fara fahakeliny nihena. Indrisy anefa, tonga ny valin’ny fitiliana : niitatra ny homamiadana. Tsy nahomby ny fitsaboana…
Ny bokin’i Joba, ao amin’ny Baiboly, no nahitany fampaherezana. Rehefa tofoka noho ny tenin’ireo namany i Joba, dia niampanga an’Andriamanitra ho tsy marina, ary nisalasala ny amin’ny fitiavany. Tsy namaly ireo fanontaniany Andriamanitra, nefa naneho ny tenany amin’ny maha Mpahary Azy, Izay tsy azontsika ampamoahina. Niondrika i Joba, nibebaka ary nitsaoka.
Tohina i Norbert ary nahatsapa ihany koa ny fiandrianan’Andriamanitra. Iza no afaka hitaky aminy fanazavana ny amin’ny fitsapana avelany hitranga ?
Hoy izy nanoratra : „Arakaraka ny nahatsapako ny halehibeny, no tsy nilako mahafantatra ny fomba itondrany ny fiainako. Diso aho niampanga ny Tsitoha ! Izaho no tokony hanao tatitra aminy, fa tsy ny mifamadika amin’izany… Nanenina an-kitsimpo aho, tsy natoky an’i Jesosy Kristy. Toy inona moa izay ny nampalahelo Azy, noho ireo ahiahiko !”
Dia noraisiny izao fanapahan-kevitra izao : „Tompo ô, na tsy takatro aza ny ataonao, ary na te hanosika ahy hikomy aza ny fihetseham-poko, dia matoky Anao aho. Lavorary ny fitondrànao. Mino aho fa tsy sazy tsy akory ny aretiko, fa fomba ampiasainao hitaizana ahy.”
Araka an’i Norbert Ammon