Alatsinainy 27 Avrily 2026

Tsy mamaly ratsy ny ratsy, na fanaratsiana ny fanaratsiana ; fa aoka hisaotra kosa. 1 Petera 3:9

Manàna fieritreretana tsara, mba ho menatra izay manaratsy ny fitondrantenanareo tsara ao amin’i Kristy, dia izay anendrikendrehana anareo. 1 Petera 3:16

 

Ampangaina tsy an-drariny

Rehefa anatina toejavatra tahaka izany isika dia matetika no mandà, aloha, ary manontany tena hoe : izaho ve tsy manana antony mihitsy anomezako tsiny ny tenako ? Izany tokoa ve ? Hoy ny Baiboly : „Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra, sady manana aretina tsy azo sitranina ; iza moa no mahafantatra ny aminy ?” (Jeremia 17:9). Matetika hamaivanintsika ny fahotana eo amin’ny fiainantsika ; mora milaza tena ho nosomparana isika, nefa ny fitondrantenantsika mety ho manan-tsiny.

Raha tsy rariny tokoa ny fiampangana, dia mirona hanjary feno fangidiana isika ary mirehidrehitra mandà, mba hanaporofo fa manana ny rariny. Nefa ndao hihaino ny fampianaran’ny apostoly Petera, ao amin’ireo Soratra Masina etsy ambony. Jesosy Tompo no môdelintsika, Ilay „raha notevatevaina … dia tsy mba nanevateva ; raha nijaly, dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny adiny ho amin’ny Mpitsara marina” (1 Petera 2:23). Manolotra antsika ambaratonga avo kokoa aza Izy : „Misaora izay manenjika anareo… aza mamaly ratsy” (Romana 12:14, 19). Marina fa tsy ho hitantsika ao amin’ny tenantsika ny hery hiainana amin’izany haavo izany, fa ao amin’i Kristy irery ihany, Izay manome antoka fa manohana antsika ao anatin’ireny toejavatra mafy ireny.

Farany, raha ampangaina isika satria manaraka an’i Jesosy, dia ampaherezin’ny fampanantenana manokana hoe : „Sambatra ianareo, raha haratsin’ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo, noho ny amiko. Mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra” (Matio 5:11-12).