Alahady 26 Avrily 2026

Ary ilay namadika Azy nanome famantarana ny olona ka nanao hoe : Izay horohako no Izy ; sambory Izy. Ary niaraka tamin’izay dia nanatona an’i Jesosy izy ka nanao hoe : Finaritra, Raby ! dia nanoroka Azy. Fa hoy Jesosy taminy : Ry sakaiza, ataovy izay nalehanao eto. Matio 26:48-50

 

Famantarana efatra : ny fanorohana (2)

Ny famantarana faharoa ao amin’ireo filazantsara, mikasika an’i Jesosy, dia nomen’i Jodasy mpianany. Nandritra ny roa andro izy dia nitady fotoana tandrify hamadihana ny Mpampianatra azy sy hanolorana Azy amin’ny manampahefana (Matio 26:16).

Jodasy sy ireo mpianatra hafa dia niara-nisakafo nankalaza ny Paska tamin’i Jesosy, tao amina efitrano iray nampindramina azy ireo tany Jerosalema. Notondroin’i Jesosy ilay mpamadika, nandao ny sakafo hariva, „ary efa alina ny andro” (Jaona 13:30). Lasa nankany amin’ireo mpitarika ara-pivavahana izy, ary avy eo dia nitarika vahoaka maro, nirongo fitaovam-piadiana sy nandrahona, niaraka tamina andia-miaramila sy ireo lohandohany ara-pivavahana.

Nentin’i Jodasy io vahoaka io ho ao amina saha matetika falehan’i Jesosy sy ny mpianany. Alina ny andro, ka tsy mora ny namantatra ny tarehin’i Jesosy teo anivona andian’olona, na teo aza ny fanilo sy ny jiro narantirantin’ny miaramila. Mba hanondroana an’i Jesosy, dia nisafidy mari-pisakaizana i Jodasy : nanoroka Azy izy. Fihetsika mahamenatra aoka izany ! namadihana Ilay Zanak’Andriamanitra. Hoy i Jesosy taminy : „Ry Jodasy, fanorohana va no amadihanao ny Zanak’olona ?” (Lioka 22:48). Mba tokony ho nanaitra ny fieritreretan’ilay mpamadika ny tenin’i Jesosy, teny feno halemem-panahy hoe : „Ry sakaiza, ataovy izay nalehanao eto.” Nasehon’i Jesosy tamin’izany ny fitiavany an’i Jodasy, hatramin’ny fetra farany hay heverina.

Io fitiavan’i Jesosy io no ilay fitiavan’Andriamanitra miantefa amin’ny olona rehetra : amiko, aminao. Mbola io fitiavana io koa, ora vitsivitsy tatỳ aoriana, no nanosika Azy hanao ilay vavaka mahatalanjona indrindra, teo amin’ny hazofijaliana, hoe : „Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony” (Lioka 23:34).