Asabotsy 25 Avrily 2026

Fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika. Romana 6:23

Izany no nosoratako aminareo, izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra, mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay ianareo. 1 Jaona 5:13

 

Rehefa nomena, dia nomena

Nomen’i Quentin an’i Évan rahalahiny ny fiarakodia mena tsara tarehy kilalaony. Izao anefa izy dia nanenina, ka mba te haka azy indray. Saingy nandà mafy i Évan, hoe : „Rehefa manome, dia manome ! Mangalatra raha maka indray ny efa nomena !”

Raha mampindrana zavatra, dia manana zo hitaky azy indray. Fa raha nanome kosa, dia tsy afaka maka azy intsony. Raha vola be no ampindramina na omena, dia asiana taratasy soniavina ara-dalàna mihitsy, iraketana ny fifanarahana.

Ny hoe manome, dia manome. Izany hoe, raha omen’olona zavatra aho, dia mahazo ny zo handray azy io hoe ahy, ho fananako.

Ry kristiana namana, nandray ny famonjen’Andriamanitra ianao, tamin’ny alalan’ny finoana. Saingy mitebiteby ve ianao ? mieritreritra hoe mety ho very ny famonjena azonao. Vakio tsara izay nambaran’Andriamanitra Izy tenany mihitsy : „Fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra”. Raha nanome fiainana mandrakizay anao Andriamanitra, dia tsy haka izany aminao intsony.

Mieritreritra angamba ianao hoe : „Ary raha ratsy fitondrantena aho ?”

Mariho tsara fa fanomezam-pahasoavana no resahina eto, izany hoe fanomezana izay tsy mendrika anao akory ! Tsy niandry anao ho mendrika handray io fanomezana io Andriamanitra ; koa mihevitra ve ianao fa antenainy hahavita mihazona an’io amin’ny herinao samirery ?

Fantatrao koa ve fa ny zanak’Andriamanitra tsirairay dia nomen’Andriamanitra ny Zanany ? Hoy Jesosy tamin’ny Rainy, mantsy ireo olony : „Anao ireny ka nomenao Ahy… dia nitahiry azy tamin’ny anaranao izay nomenao Ahy [Aho]” (Jaona 17:6, 12). Andriamanitra no nanome anao ho an’i Jesosy. Matokia fa sarobidy aminy ianao, satria fanomezana ho Azy avy tamin’ny Rainy. Miahy tsara anao Izy, ary tsy misy maharombaka anao eny an-tanany (Jaona 10:27-30) !