Zoma 24 Avrily 2026

Moa sitrako akory va ny fahafatesan’ny ratsy fanahy, hoy Jehovah Tompo, fa tsy ny hialany amin’ny alehany mba ho velona izy ? Ezekiela 18:23

Aza mety hofitahina ianareo ; Andriamanitra tsy azo vazivazina. Galatiana 6:7

 

Zava-tsy nampoizina lehibe

Teny ambony lamasinina iray tany amina faritra ambanivohitra dia nisy lehilahy roa niresaka ny amin’ny any ankoatra. Ny iray dia hentitra nilaza tam-patokiana fa tapitra ny zavatra rehetra aorianan’ny fahafatesana. Ny iray kosa, somary nihambahamba, malina nametraka fanoherana vitsivitsy.

Nisy tantsaha zokiolona iray tao anaty lamasinina ihany koa, liana nanaraka ny resaka. Hita eo amin’ny tavany miketrona sy tony ny lanjan’ny zavatra niainany, nefa koa ny taratra fiadanana anaty ananany.

Nanohy niteny ilay mpandeha voalohany, ninia nihantsy hoe : „Alaivo sary an-tsaina anie hoe olona iray mifikitra amin’ireo finoana kristiana efa tranainy —satria osa loatra ka tsy mahafaka ny tenany amin’ireo-, amin’ny fotoana hahafatesany, eo anoloana varavarana iray, nefa mihidy io, mihidy mandrakizay. Fahadisoam-panantenana tanteraka ny azy !” Dia hehy maneso no re nanako.

Tsy naharitra intsony ilay tantsaha, tamin’izay fotoana izay, ka niteny moramora hoe : „Rehefa mahare zavatra tahaka izany aho, dia taitran’ny hamaivany ! Tena mivazivazy ve ianao ? Hevero kely fotsiny hoe ny mifamadika amin’izany no mitranga. Maty ilay nandà ny fisian’ny any ankoatra, nefa mivoha manoloana azy ny varavaran’ny mandrakizay, ny mandrakizay lavitra an’Andriamanitra. Alaivo sary an-tsaina ny hagagany ! Ho diso aoriana loatra, ho azy ! Mbola hivazivazy ihany ve izy ?”

Nangina tampoka tao anaty lamasinina. Nitsahatra ny hehy rehetra.