Alakamisy 23 Avrily 2026

Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra. Matio 4:4

 

Izay manosika ny olona hiaina

Ao amin’ny bokiny malaza mitondra ny lohateny hoe „Ny trano hevan’ireo voan’ny homamiadana”, ilay mpanoratra rosiana Alexandre Soljenitsyne dia manoritsoritra ny fanontaniana mampanaintaina an’i Ephrem ny amin’ny dikan’ny fiainany. Taorianan’ny niainany tam-pitiavantena ho an’ny fahafinaretany, dia tao anatin’ny fahalehibeazan-taonany indrindra i Ephrem no voasakana homamiadana. Dia nieritreritra ny amin’izay manosika ny olona hiaina izy. Nanontany ny mpiray efitra aminy izy ary nahazo valiny isan-karazany… Tonga saina anefa i Ephrem fa tsy misy mahajanona eo anatrehan’ny fahafatesana, na iray aza, ireo antony naroso : asa, voninahitra, fahefana, foto-kevitra iraisana…

Isika ihany koa dia afaka mametraka amin’ny tenantsika ny fanontaniana hoe : „Inona no manosika ahy hiaina ?” Angamba isika feno nenina mangidy na fahadisoam-panantenana mampangirifiry, na koa, mifanohitra amin’izany, tena finaritra manatanteraka tetikasa mamintsika.

Nefa rehefa miatrika ny fahafatesana, inona no tena manan-danja ? Ary koa, hitsahatra tanteraka ve ity aina manentana antsika ity ? Iza no afaka mampahafantatra antsika ny nipoirany sy ny hoaviny ? Tokana ihany, dia Andriamanitra. Izy no manome ny aina sy mihazona azy. Isika hoe miaina dia efa porofo fa misy Izy. Niteny anefa Andriamanitra, ary mbola miteny hatrany. Ny andraikitsika izany dia ny mino izay lazainy, sy manaiky ny Teniny, dia ny Baiboly. Ao Andriamanitra dia milaza fa manome aina vaovao ho an’izay mino an’i Jesosy Zanany, Izay nirahiny tetỳ an-tany mba hamonjy antsika. Noho izany ny mpino dia afaka miaina am-piadanana, tsy matahotra ny fahafatesana. Ny fahafatesana dia tsy teboka farany maharava ny fanantenana rehetra tsy akory, fa fiampitana mitondra ny mpino eo anatrehan’i Jesosy Mpamonjiny. Misy dikany ny fiainany !