Alarobia 22 Avrily 2026
Tany amin’ny ranomasina ny làlanao, ary ny nalehanao dia tany amin’ny rano mandriaka, ka tsy fantatra ny dian-tongotrao. Salamo 77:19
Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo, ary ny làlanareo kosa tsy mba làlako, hoy Jehovah. Isaia 55:8
Nisy zazalahy kely sivy taona, zanaka lahitokana mpivady kristiana, nangataka mandrakariva ny reniny handohalika hivavaka ho an’ireo izay mbola tsy voavonjy sy ireo izay tsy mahafantatra an’i Jesosy Kristy.
Matetika nankany amin’ankizy havany izy, mba hiara-milalao amin’izy ireo. Indray andro dia naharatra mafy azy tsy nahy ny iray tamin’izy ireo. Nentina haingana tany amin’ny hôpitaly izy, ary maty afaka telo andro…
Nanamarika mafy ny ray aman-dreniny sy ny mpiara-monina io zava-nitranga mampalahelo io.
Tamin’ny fotoam-pandevenana dia notorina ny Filazantsara, ka tohina noho ny hafatra manambara ny fitiavan’Andriamanitra ny tsirairay tamin’ny fianakaviana, izay nentin’ilay ankizy am-bavaka fatratra. Ny hafa izay nihanangatsiaka tamin’ny fanoloran-tena dia niverina nanakaiky indray an’i Jesosy Kristy. Nisy lehilahy iray sy vehivavy iray tonga avy lavitra, mbola tsy nahatsapa mihitsy ny ilàny mihavana amin’Andriamanitra, nanaiky handray an’i Jesosy ho Mpamonjy azy ireo. Ankehitriny, ao amin’ny faritra onenan’ny ray aman-drenin’io ankizy io, dia mpino maro no mivory mba hihaino sy handinika ny Tenin’Andriamanitra.
Tsy misy fantatsika ny fomba ampiasan’Andriamanitra ny zava-mitranga eo amin’ny fiainana, na dia loza tena lehibe aza, na dia ny vavak’ankizy aza. Toa tsy hita maso ny tanany, indraindray, ary tena saro-pantarina ny lalany, nefa ny faniriany dia ny haneho ny tenany sy hitondra antsika eo aminy.