Talata 21 Avrily 2026
Tany Antiokia no voalohany nanaovana ny anaran’ny mpianatra hoe Kristiana. Asan’ny Apostoly 11:26
… ny nialanareo tamin’ny sampy, hiverenana amin’Andriamanitra, mba hanompo an’Andriamanitra velona sy marina. 1 Tesaloniana 1:9
Ny kristiana ve olona vita batisa fony mbola zaza fotsiny, na koa olona nahazo fanabeazana kristiana ? Sa olona mikambana amina anaram-piangonana, na amina antokom-pivavahana mbamin’ny fombafombany, ny fomba nolovainy, ny didiny sy ireo zavatra fadiny ?
Tsia ! fa mialoha ny zavatra rehetra, ny kristiana dia mino an’i Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra, manaiky Azy ho Ilay mamela heloka sy manome ny fiainana mandrakizay, vokatry ny sorona fanavotana nataony teo amin’ny hazofijaliana. Amin’izay ny mino dia miditra amina fifandraisana tena izy, velona, fifandraisana aminy. Miankina aminy izy mba hamelana ireo fahadisoany sy hitantanana ny fiainany manontolo.
Ny maha kristiana dia safidin’ny tena manokana. Safidin’ny finoana matoky an’Andriamanitra, safidy ahafahana miaina fifandraisana mahatretrika miaraka amin’Andriamanitra sy Jesosy Kristy Zanany.
Ny fiainana kristiana dia miandoha amin’ny „fiovam-po”, izany hoe ny famaliana manokana ny antson’Andriamanitra noho ny finoana ny Filazantsaran’i Jesosy Kristy. „Ny finoana dia avy amin’ny toriteny, ary ny toriteny kosa avy amin’ny tenin’i Kristy” (Romana 10:17). Izao no anoritan’ny apostoly Paoly io fiovam-piaina io : „Raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao (fahariana vaovao) izy ; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo” (2 Korintiana 5:17).
Ny maha kristiana izany dia ny fifikirana lalina amin’ny Kristy sy ny Filazantsarany. Ny fananana Azy manokana ho namana akaiky, sy ny fitomboana amin’ny fifandraisana aminy amin’ny alalan’ny vavaka.