Alatsinainy 20 Avrily 2026

Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo. Romana 8:28

 

Fikatsahana ny tombontsoa tsara indrindra

Resahina betsaka ankehitriny ny fikatsahana ny tombontsoa tsara indrindra. Mba hanafanako ny aty tranoko dia hiezaka aho hahazo hafanana mahafinaritra ao, sady hametra ny fahaverezana hafanana, amin’ny fitadiavana fomba mifanaraka amin’izany, hihazonana ny hafanana tsy hivoaka.

Mba tena hahafinaritra raha toa isika afaka mandamina ny fiainantsika sy mikatsaka izay tombontsoa tsara indrindra ho amin’izany, indrindra ny haela velona, ny hasambarana miaina, ny fahasalamana, sns. Saingy tsy hay fehezina ireo tanjona sy fepetra hahatonga ho sambatra ireo. Olona iza no afaka manapa-kevitra, ho an’ny tsirairay, ny amin’izay tsara ao anatin’ny fotoana lava ?

Ary raha toa moa ny vahaolana ka ny fametrahana am-patokiana ny fiainantsika eo am-pelatanan’Andriamanitra ? Izany no andrasan’Andriamanitra. Ary ho an’ireo „izay tia an’Andriamanitra”, ny Soratra Masina etsy ambony dia manome toky fa ny toe-javatra rehetra mitranga eo amin’izy ireo dia „miara-miasa hahasoa”, izany hoe miara-miasa ho fitahiana azy ireo. Ahitana tombontsoa ny misaintsaina izany.

Ny hoe tia an’Andriamanitra dia ny manaiky fa misy Izy, miaiky fa ho an’ny tsirairay Izy dia Ilay Andriamanitra tsara fo, Andriamanitra mamela heloka, mamindra fo. Raha toa isika tia an’Andriamanitra, dia satria Izy no efa tia antsika taloha (1 Jaona 4:19), ary nanolotra ho antsika ny Zanany, maty teo amin’ny hazofijaliana mba hamonjy antsika. Raha mino Azy aho, dia atsangany ho zanany.

Avy amina Andriamanitra tahaka izany, avy amina Ray toy izany, tsy ho resy lahatra ve ianao fa ataony miara-miasa ny zavatra rehetra mba hahasoa ireo zanany ? Matoky izy ireo fa mahafantatra tanteraka izay tsara ho azy ireo Andriamanitra, na dia maro aza ny zavatra mbola tsy takatry ny saina sy ny fanontaniana mbola tsy misy valiny, etỳ an-tany. Rahatrizay any an-danitra izy ireo dia hahafantatra fa teo am-pelatanan’Ilay Andriamanitra finaritra ny fiainan’izy ireo.