Alahady 19 Avrily 2026

Hoy ny anjely taminy (tamin’ny mpiandry ondry) : … Indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe … Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo. Ary izao no ho famantarana ho anareo : ianareo hahita Zazakely voahodidina lamban-jaza sady mandry ao am-pihinanam-bilona. Lioka 2:10-12

 

Famantarana efatra : ny fihinanam-bilona (1)

Ao amin’ireo filazantsara dia ahitana famantarana efatra nahafahana mamantatra an’i Jesosy Kristy. Ny voalohany dia miresaka ny nahaterahany, ny faharoa dia nomena tamin’ny fotoana nisamborana Azy, ny fahatelo mampahatsiahy ny nahafatesany sy ny nitsanganany velona indray, ary ny fahefatra manambara ny hiverenany am-boninahitra.

Taoriana-na dia lavitra avy any Nazareta dia tonga tany Betlehema, tanàna nahaterahan’i Josefa, i Maria sy Josefa, ho amin’ny fanisam-bahoaka. Tsy nisy toerana ho azy ireo tao amin’ilay tranom-bahiny, ka voatery i Maria niteraka an’i Jesosy Zanany tao amina toerana nisy biby koa. Indro fa nisy anjely iray niseho tamina mpiandry ondry mahantra, mba hanambara amin’izy ireo ny vaovao mahatalanjona milaza ny nahaterahan’ny Mpamonjy. Lapa aiza no hahitan’izy ireo Ilay nambarana mpaminany maro fa ho avy ? Dia nanome famantarana ho azy ireo ilay anjely : mandry ao anatina fihinanam-bilona Izy, ao anatina tavy fanisiana mololo hohanin’ny biby. Tsy afaka ho diso ny mpiandry ondry ! Zazakely firy no nampandriana tao anatina fihinanam-bilona tany Betlehema tamin’io alina io ? Tokana ihany : i Jesosy !

Io famantarana mampiavaka io dia mampahatsiaro tsara ny maha olona an’i Jesosy : ny zazakely dia mila fikarakarana, mila toerana hatoriana. Maneho koa ny fahantrany io famantarana io : ny ray aman-dreniny, izay olona tso-piaina, dia tsy maintsy nianina tamin’io toerana tsy mahazatra io. Ary koa famantarana toy inona moa ! namakivaky ny taona nifandimby. Na aiza na aiza eto amin’izao tontolo izao, 2000 taona atỳ aoriana, rehefa miresaka zazakely mandry anaty fihinanam-bilona, dia fantatry ny olona tsirairay fa Jesosy no lazaina.

Manohina ny fontsika ve io famantarana io ? mariky ny maha olona sy ny fahantran’Ilay Zanak’Andriamanitra tonga teto amin’ity tontolo ity.

(hitohy ao anatin’ny alahady telo)