Asabotsy 18 Avrily 2026

Mahari-po Jehovah sady be famindrampo, mamela heloka sy fahadisoana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka. Nomery 14:18

 

Ny hatsaran’Andriamanitra

Ny Teny etsy ambony dia manambara fa be famindrampo Andriamanitra. „Iray no tsara” (Matio 19:17). Andriamanitra dia tsara, araka ny maha Izy Azy. Nefa raha halalinina, inona moa no atao hoe hatsarana ? Ny manao soa amin’ny hafa. Andriamanitra dia maniry ny tsara ho an’ny olona noarìny. Ny rivotra iainantsika, ny hanina isanandro, ny fifandimbiasan’ny fizaran-taona, dia anisan’ny zavatsoa avy amin’Andriamanitra, na tsapantsika izany na tsia. Raha tsy misy fikarakaran’Andriamanitra, dia tsy misy na iza na iza afaka haharitra eto amin’ity tany ity. Andriamanitra dia „mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy, ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina” (Matio 5:45). Manao soa amin’ny olona rehetra Izy, „mampilatsaka ny ranonorana avy eny amin’ny lanitra ho anareo, sady manome taon-jina ka mahavoky ny fonareo amin’ny hanina sy ny fifaliana” (Asan’ny Apostoly 14:17). Ndao hamantatra ny tanan’Andriamanitra miasa eo amin’ny fiainantsika.

Tsy mikarakara ny fiainantsika etỳ an-tany fotsiny Andriamanitra, fa maniry koa, mialoha ny zavatra rehetra, ny hahasoa ny fanahintsika, izay tsy mety maty. Andriamanitra dia tsara, ary koa masina, nefa araka ny ambaran’ny Teny androany, dia „tsy mety manamarina ny meloka”. Koa mba hahafahany mitahy ireo olombelona „hala sy nifankahala” ireo, dia nirahiny Jesosy Kristy Zanany hanafaka azy ireo amin’izany toetrany izany : „Rehefa niseho ny fahamoram-panahin’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy ny fitiavany ny olona”, dia namonjy antsika Izy (jereo Titosy 3:4-5). Eny, ny fanehoana faratampony izany hatsaran’Andriamanitra izany dia ny nanateran’i Jesosy Kristy ny tenany, ho sorona teo amin’ny hazofijaliana.

Anio dia taomin’Andriamanitra ianao hiaiky ny toetra maha mpanota meloka anao eo anatrehany, ary hitodika am-pinoana amin’ny Mpamonjy. Mbola asan’ny hatsarany koa izany : „Ny fahamoram-panahin’Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka” (Romana 2:4).