Zoma 17 Avrily 2026

Nino an’i Kristy Jesosy koa isika, mba hohamarinina amin’ny finoana an’i Kristy, fa tsy amin’ny asan’ny lalàna, satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ny asan’ny lalàna. Galatiana 2:16

 

Ny asa ve ? sa ny finoana ?

Matetika iadian’ny kristiana hevitra ny resaka mikasika ny asa sy ny ilàna ireo asa ireo.

Misy mihevitra fa tsy maintsy manao asa ny olona, mba hamafany ny fahamelohany ary hahazoany ny fankasitrahan’Andriamanitra sy ny paradisa : manao ny tsara amin’ny endriny rehetra, mitandrina fombafomba, mahafoy ampahany amin’ny fotoanany, fananany, heriny, ary mahafoy ny ainy mihitsy aza. Izany dia ohatra ny hoe mampitrosa an’Andriamanitra isika ary mihevitra fa mahazo ny famelan-keloka avy aminy sy manjary marina amin’ny alalan’ny herintsika samirery. Nefa iza moa no mamonjy antsika ? Izy ve ? sa isika ?

Araka ny Baiboly, Andriamanita dia manolotra ny famonjena ho an’ireo izay miantehitra amin’ny fahasoavany. Miaiky ny tsy fahafahany mamonjy samirery ny tenany izy ireo, ka mitoky amin’Andriamanitra, Izay hany mahay mandamina ny amin’ny fahotan’izy ireo. „Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota !” (Lioka 18:13). Ambaran’ny Tenin’Andriamanitra, momba io lehilahy nibebaka io, fa izy dia „nidina tany an-tranony efa nohamarinina” (Lioka 18:14).

Ahoana no hahazoana fanamarinana ? Hoy ny Baiboly : „Fa fahasoavana no namonjena anareo, amin’ny finoana ; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ; tsy avy amin’ny asa, fandrao hisy hirehareha” (Efesiana 2:8-9). „Hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany izy [ny olona rehetra mino], noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesosy” (Romana 3:24).

Mino an’iza ? Mino an’i Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra, Izay „efa nataony [nataon’Andriamanitra] ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy kosa isika” (2 Korintiana 5:21).

Mba haninona ? Mba hahafahantsika manao ny „asa tsara, izay namboarin’Andriamanitra rahateo” hotontosaintsika (Efesiana 2:10).